Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Pastera FJKM ireo olona 2 sitrana voalohany

06/04/2020

Sitrana ireo pasiteran'ny FJKM mpivady Pasitera Johary sy Pasitera Riana izay samy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus rehefa avy namita iraka tany ivelany.

 

 

 

 Natoka-monina teny amin'ny Hopitaly manarapenitra Andohatapenaka nandritry ny 14 andro ary nanaraka fitsaboana ka sitrana soa aman-tsara. Mpivady izy ireo, ary fantatra fa nody any an-tokantranony ny sabotsy hariva teo.Samy manana andraikitra lehibe ao amin’ny FJKM izy mivady ireo satria ny Pastera Rado Lalaina Johary Robson dia Tonian'ny Sampana Fifohazana, Foibe FJKM, ary ny Pastera Riana Lalasoa Razafintsalama kosa dia mitandrina ny Fjkm Ambatoroka Finoana. Avy namita iraka tany Frantsa izy mivady ireo, niverina teto Madagasikara tao anatin'ilay vanim-potoana tena nidiran’ny coronavirus, ary isan’ireo voa, saingy sitrana soa aman-tsara. Tamin’ity herinandro ity dia efa nisy mpitandrina nandefa hafatra tamin’ny tambajotran-tserasera: hoe sitrana ry zareo fa mety tsy maintsy naka toky tsara aloha ny mpitsabo vao namoaka ny vaovao ofisialy. Nisy ny hafatra fohy avy amin'izy ireo izay noraisina tao amin’ny Heb. 6: 10 manao hoe: "Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany”. Nankasitrahan’izy ireo ny Filohan'ny Repoblika sy ny mpiaramiasa aminy, ny tompon'andraikitra ara-pahasalamana rehetra, ny Filoha sy Foibe F.J.K.M, ny Filoha sy Foibe Sa.Fi.F. / S.T.K, ny Filoha P.S. sy ny S.T.K. ary SP12, ary ireo namana sy tapaka rehetra tsy nitsahatra ny nitrotro am-bavaka, fa tena valim-bavaka tokoa izao nitranga izao.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana