Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Taxi-be 133 Itaosy Saofera sy resevera 100 amin’ny 600 no nahazo fanampiana…

06/04/2020

Tena mihisatra ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily taxi sy taxibe ary ireo mpanampy azy tonga milahatra isan’andro etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely.

 

 

 

Tsy fantatra intsony izay anton’izany hany ka tsy misy izay tsy mitaraina ireo lehibena koperativa. Ho an’ny koperativa 133 miazo an’Itaosy ohatra dia vao 100 monja amin’ireo olona 600 tokony hahazo izany no nahazo ny anjarany hatreto. Tao anatin’ny tapa-bolana anefa izay no efa niainan’ny rehetra ilay fihibohana ka tsy nahafahana niasa nitady vola. Raha mitohy izao hoy ny lehiben’ity koperativa ity dia 2 volana eo ho eo vao hahazo ny anjarany ireo olona 600 ao anatin’ny koperativa 133 hiadidiany, fizarana izay efa mety ho tafiditra ao anatin’ny fotoam-piasana indray ka hanakorontana zavatra maro. Toromarika farany azony araka izany ny tsy tokony handefasana ireo mpamily sy ny mpanampy azy hilahatra eny amin’ny lapan’ny tanàna toy ny teo aloha intsony. Handefa hafatra an-telefaonina indray mantsy hono ny kaominina manomboka izao milaza ny isan’ny olona tokony hilahatra eny an-toerana izay vao mandeha ireto farany. Miantso ny mpamily sy mpanampy azy tsy handany andro eny amin’ny lapan’ny tanàna intsony araka izany ny lehiben’ity koperativa ity fa miandry ny antso avy any aminy aorian’ny hafatra an-telefaonina azony avy any amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana