Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin’ny Coronavirus Ho hentitra ny fanaraha-maso

06/04/2020

Nohenjanina ny fepetra amin’ireo faritra ahitana olona voan’ny Coronavirus dia Analamanga, Matsiatra ambony ary atsinanana.

 

 

Tena zava-doza ny fiatrehantsika ny fahavalo tsy hita maso hoy ny filoha Andry Rajoelina omaly koa tsy maintsy mailo sy mitadndrina hatrany isika mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina manerana ny nosy na sanatria hisian’ny maty.Ho hentitra arak’izany ny fanarahamaso sy fampanajana ny fepetra noraisina ka tsy hisangisangy ny mpitandro filaminana, izay efa nahazo baiko mazava tsara.Tsy safidy fa didy no navoakan’ny fitondram-panjakana, fantatro fa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano ny fepetra noraisina kanefa tsy maintsy nisafidy izany isika mba ho fisorohana ny loza, hoy ny Filoha.Zava-dehibe ny fahatsapan-tena sy ny fifehezan-tena avy amin’ny tsirairay, hoy izy satria izay fiaraha-mientana izay ihany no hahafana mandresy ny Coronavirus.Mazava ho azy fa voatohintohina ny fahalalahana mivezivezy  sy miasa ho an’ny mponin’Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toamasina.Efa niomana ny amin’ny fifanampiana sy fanohanana ny fitondram-panjakana ary hiainga eny ifotony, manakaiky kokoa ny vahoaka ny asa; izay no antony nametrahana ilay Rafitra Loharano, izay raha tsorina izany dia hanao ny asan’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany.Asa mila matotra tsara sy haingana kokoa, lavitry ny kolikoly sy kiantrano an-trano satria io fitarazohana amin’ny fahazoana ny tohana sy vatsy ary fanampiana io niteraka fimenomenomana tato anatin’ny herinandro izay ary nahatonga ny olona maro tsy nanaja ny fihibohana fa mbola nivoaka nitady vola satria tsy maintsy misakafo

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana