Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Krizy ara-pahasalamana Mitaky ny mangarahara ny PFNOSCM/VOIFIRAISANA

06/04/2020

Nanao fanambarana ny vondron` ireo firaisamonim-pirenena eto Madagasikara PFNOSCM/VOIFIRAISANA manoloana ny ady amin` ny « coronavirus ».

 

Mitaky ny mangarahara amin` ny vola miditra sy mivoaka izy ireo amin` izao fiatrehana krizy ara-pahasalamana izao. Fomba iray ahafahana mametraka fahatokisana sy fanajàna eo amin` ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka malagasy izany, hoy ny fanambarana. Misy tokoa ny ezaka ataon` ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon` antoka, hoy ny PFNOSCM. Etsy ankilany anefa, mahatsikaritra izy ireo fa misy fahataràna ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-politika teo amin` ny fanidina ny sisin-tany teto amintsika sy tsy fifehezana ny fihibohana tamin` ireo mpandeha avy any ivelany, izay fototry ny krizy ara-pahasalamana iainantsika izao. Noho izany, nanantitrantitra ity vondrona ity fa ny paikady entina miady amin` ny fihanakin` ny aretina amin` ny alalan` ireo fitaovam-pitiliana dia somary misy fetrany ihany manoloana ny isan` ny marary sy ny faritra misy azy. Izany hoe, mety hiteraka fahadisoana eo amin` ireo antontan` isa sy paikady apetraka iadiavana amin` ny aretina. Ireo fepetra noraisina mba hisorohana ny aretina sy mba hampitony ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy dia tsy mifanaraka amin` ny zava-misy tena iainana, hoy hatrany ny fanazavana. Porofoin` izany, ny fanoherana sy fahasorenana eo amin` ny vahoaka noho izay olana ara-toekarena sy ara-tsosialy aterakin` ny fihibohana aminà faritra voakasika eto Madagasikara. Etsy andaniny, mahatsikaritra ihany koa ny PFNOSCM fa tsy misy tamberin`andraikitra ara-tsosialy eo amin` ny fihaviana sy fampiasana ireo vola sy fitaovana entina miatrika ny krizy ara-pahasalamana. Mitaky fampahafantarana matetika ho an` ny besinimaro ireo teboka ireo amin` ny alalan` ny tatitra na amin` ny haino aman-jery na koa tambajotra serasera sy peta-drindrina, izy ireo, noho izay fanjakana tsara tantana izay.

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana