Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mponin’Antananarivo Maro no minia manao be marenina

06/04/2020

Isotry, Anosibe, Andravoahangy, Analakely, 67 Ha, Mahamasina… fokontany maro no ahitàna olona mitangorona rehefa maraina ka nampitaraina ireo tompon’andraikitra misahana ny ady amin` ny COVID-19. Ankehitriny,

io fahitàna tranga voamarina amin` ny fikasokasohana na « cas contact » io dia laharampahamena ho an` ireto tompon’andraikitra ireto. Efa hita ireo tranga voalohany saingy ho asa goavana miandry azy ireo no haminavina sy hamantantra ireo izay ahiana ho voan` ny aretina manoloana ny tsy fanajàn` ny vahoaka ny fepetra raisina amin` ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana. Ahoana, araka izany, no ahafahana mampihatra ireo toromarika indrindra manery ny mponina hanàja izany? Tsy lavina fa ny ankamaroan` ny mponina tokoa dia voatery mivoaka ny trano noho ny fitadiavana saingy tsy misy iray amin` izy ireo no manaja ny elanelana iray metatra. Misy mihitsy aza no mandray ny aretina ho kilalao ka aorian` ny 12 ora atoandro ihany vao mivoaka ny aretina, hono. Tsy mitsahatra ny mikaon-doha tanteraka ireo tompon’andraikitra mahefa satria sarotra ny fametrahana lamina sy ny fitsipi-pifehezana eto Madagasikara. Averina foana anefa fa ny tsy fanarahana an-tsakany sy an-davany ny toromarika no nampirongatra haingana be ny Coronavirus tany Italie, France, Espagne ary Etazonia.Dia efa iaraha-mahalala fa any amin’ireo firenena ireo no be maty indrindra ary mbola mitohy izany hatramin’izao, ny an’i Etazonia izao no henjana sy nampiorohoro indrindra satria 1200 no maty tao anatin’ny 24 ora ny faran’ny herinandro teo.Tsy mbola misy maty ny eto Madagasikara, ny mifanohitra amin’izay aza no nitranga satra efa nisy ny olona 2 sitrana.Azo resena tsar any Covid-19 raha manaja ny toromarika sy ny fandaminana ny rehetra, tsy misy fandresena azo moramora foana izany anefa !

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana