Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CORONAVIRUS MANERAN-TANY Maneran-tany

07/04/2020

Mananika ny 74 000 ny maty 1 324 907 ny olona voamarina maneran-tany voamarina fa tratry ny coronavirus, raha ny antontan’isa voaray omaly tamin’ny 11ora alina.

  

 

73 703 ny maty, raha toa ka 275 832 kosa no efa sitrana. Efa tafiakatra 16523 ny isan’ny olona maty tany Italia izay mitana ny laharana voalohany, 132 547 no isan’ny olona voa, ary 22 837 kosa no efa sitrana tany an-toerana. Faharoa be maty indrindra I Espagne izay 13 169, ary manatombo kokoa amin’I Italie ny isan’ny olona voa, izay mahatratra 132 032, ary 40 437 kosa no sitrana. I Etazonia no ahitana olona voa be indrindra satria 351 890 izany, 10 377 ny efa maty tany amin-dry zareo bekintana, ary 18 940 no efa sitrana.

ITALIE

Olona 3898 ao amin’ny fameloman’aina

Taorian’ny fidinana roa andro nisesy tamin’ny olona maty ao anatin’ny iray andro, dia somary niakatra indray ny isa tany Italie. 636 no maty tao anatin’ny iray andro. Taorian’ny zoma lasa teo izay nananika 766 ny isan’ny maty dia nihena ho 525 ny alahady teo, saingy somary niakatra indray omaly alatsinainy. Olona 35 99 kosa no voamarina fa voa tao anatin’ny iray andro, izay voasokay ho isan’ny fitomboana kely indrindra nanomboka ny 17 martsa. Efa noresahina etsy ambony fa 132 547 ny voa hatramin’ny omaly, ka mahatratra 3898 no ao amin’ny fameloman’aina na ny “réanimation”. Nisy fihenany 79 io mitaha ny tamin’ny alahady, ary fihenany fanintelony nisesy.  

 

Angleterre

439 ny maty tao anatin’ny iray andro

Handresy isika hoy ny mpanjaka Anglisy Elisabeth II ny alahady teo. Voatery niditra an-tsehatra nankahery ny vahoaka Anglisy izy manoloana ny fipariahan’ny covid-19 any an-toerana. Isan’ireo voa ary ao anatin’ny tsy fahasalamana sy voatery mihiboka mazava ho azy ny Praiminisitra Boris Johnson. Tsy misy ahiana ny ainy, hoy ny mpitondra teniny. Raha ny tatitra omaly alatsinainy dia nahatratra 439 ireo maty tao anatin’ny iray andro, mampiakatra ny isan’ny maty rehetra ho 5373. Mahatratra 51 608 kosa ny voa any amin’ity firenena ity.

 

Etazonia

Voan’ny coronavirus hatramin’ny biby

 Tsy ny olombelona ihany fa hatramin’ny biby no voan’ny coronavirus any Etazonia. Tigra 4 taona antsoina hoe Nadia, ny rahavaviny Azul, ary tigra roa hafa mpifankatia sy liona telo fantatra amin’ny hoe Lion d’Afrique tao amin’ny valanjavaboaharin’i Bronx ao New York ireo voa, ka ny mpiambina ilay toerana izay tsy nahalala akory ny fitondrany ny covid-19 no voalaza fa namindra tamin’izy ireo. Nampijalian’ny koha-maina ireo biby saingy efa tsy misy ahiana ny ainy. Ahiana ny zava-doza bebe kokoa amin’ity herinandro ity satria vinavinaina ho betsaka noho ny raharaha sambo Pearl Harbor na ny raharaha 11 septambra ny faty olona.

 

AFRIKA

442 ny maty rehetra

Miisa 442 ny olona maty rehetra ho an’ny Kaontinanta Afrikanina, ary 9457 ny olona voamarina fa mitondra ny Coronavirus hatramin’ny omaly. Firenena 51 no efa ahitana azy, ka I Afrika Atsimo, Algérie, ary Egypte no voa mafy indrindra. Ny firenen-dehibe dia maminavina, fa hatrany amin’ny 450 000 ny olona ho voa aty Afrika. Isan’ny adihevitra moa ny hoe hanaovana andrana vaksiny amin’ny Afrikanina, izay olo-malaza maro no nanda izany, tahaka an-dry Samuel Eto’o, Didier Drogba.

Bernard Gonzalez

Dokotera namono tena fa voan’ny coronavirus

 Maty namono tena ny Dokotera Bernard Gonzalez. Mpitsabo ny Klioba Stade de Reims, klioba baolina kitra diviziona voalohany any Frantsa, i Dr Bernard Gonzalez. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa io no Kliova nilalaovan’ilay Malagasy Thomas Fontaine nialohan’ny nifindrany any amin’ny FC Lorient ilalaovany ankehitriny. Namono tena tao an-tranony moa ity dokotera ity, ary nametraka taratasy milaza fa misy ifandraisany amin’ny fitondrany ny tsimokaretina Coronavirus ny antony namonoany tena. Ankona tanteraka ny vadiny izay voan’ny Covid-19 ihany koa, sy ny klioba manoloana izao fahafatesana izao. 60 taona I Bernard Gonzalez izao maty izao.

Japon

Hiditra amin’ny hamehana anio…

Mihevitra ny hanao fanambarana hamehana na “Etat d’Urgence” ny Praiminisitra Japonais Shinzo Abe anio talata, raha ny fanambarany omaly. Any amin’ireo faritra hita fa tena mahazo vahana ny coronavirus no tena ho hentitra ny fepetra, toy ny any Tokyo, Osaka,… Nambaran’ity Praiminisitra ity ihany koa fa volabe 108 000 miliara yens (915 miliara euros) no haompana amin’ny drafi-panarenana ara-toekarana hiatrehana valanaretina ho an’ity firenena ao anatin’ny telo matanjaka indrindra ara-toekarena ity.

Nangonin’i Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana