Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Maika ny fampihenana ny isan’ireo migadra

08/04/2020

Tsy tokony hitaredretra intsony ny governemanta Malagasy ny amin’ny fampihenana faran’izay haingana ireo Malagasy anya m-ponja hisorohana ny fihanaky ny aretina Corona virus hoy ny fanambarana nataon’ny Amnesty International.

 

 

 

 Be loatra ary tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny isan’ireo voafonja ka tokony hisy fepetra maika hanafahana ireo gadra indrindra ireo miandry fitsarana izay tena maro an’isa. Mora be mantsy ny fihanaky ny aretina indrindra amin’ireo olona efa nahazo taona sy ireo olona tsy salama ao nohon’ny fahaterena hoy hatrany ny Amnsety International. Tsy ampy mihitsy hoy izy ireo ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny amin’ny famendrahana fanafody sy fitsapana maripàna ireo gadra sy ireo mpiandry fonja noho ny fahamaroan’ireo olona ao. Tsiahivina fa efa nanao tatitra ny Amnesty International tamin’ny taona 2018 izay nanambarany fa efa tsy manara-dalàna intsony ny fonja Malagasy satria mandray avo 10 heny amin’ny tokony ho izy ary na ny hatoriana ao aza manahirana. Tamin’ny taona 2019 teo dia nahatratra 28 000 ireo migadra ary efa ny antsasak’ireo no tsy voatsara.Nanamafy moa omaly ny minisitry ny fitsarana fa tsy mbola misy voafonja voamarina fa voan’ny Coronavirus eto Madagasikara hatreto.

 Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana