Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

13/08/2020

Olona 4 indray no lavon’ny Covid-19 raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 156. Ny 02 tany amin’ny Faritra Boeny, 01 DIANA;

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fiatrehana ny Covid-19 Mila atao mangarahara kokoa

08/04/2020

Amin’izao fandalovana anaty krizy lalina izao no hitarafana ho hatraiza ny fahaiza-manaon’ny fitondram-panjakana ?

 

 Tsy mora ny ady amin’ny valan’aretina saingy ny fahaiza-mandamina kosa no tokony ho enti-miady. Mila mangarahana amin’ny lafiny maro indrindra amin’ny ara-bola ny fanjakana mba tsy ho tompon-trano miono ny vahoaka Malagasy. Tahaka ny hoe ohatrinona ny tetibola natokan’ny fanjakana hiatrehana ny valan’aretina Cornavirus.Avy aiza daholo io vola io, ireo fitaovana maro be ampiasaina, nomena malala-tanana ve sa novidian’ny fanjakana Malagasy.Ahoana ny resaka tambin-karaman’ireo ekipa rehetra miasa sy mandeha etsy sy eroa sa asa soa no ataon’izy ireny ? Efa nampitandrina ny eo anivon’ny fiaraha-monim-pirenena fa mety hiteraka fipoahana ara-tsosialy sy tsy fahatoniana ara-politika ny fitantanana ity krizy ara-pahasalamana ity raha tsy mitandrina. Ilaina ny fanetren-tena sy ny firaisan-kina avy amin’ny fitondram-panjakana hanatanterahana ny fahamarinana sy ny fangaraharana mba ho tombotsoa iombonana. Mila fahamatorana amin’ny fandraisana andraikitra mba tsy ho tara tahaka ny fanidiana sisin-tany indray ny zava-hiseho. Amin’izao fotoana izao aza dia efa tokony hisy aro fanina marobe ho fiarovana ny toekarena izay hitotongana atsy ho atsy. Izany dia atao anatin’ny fangaraharahana hatrany satria zon’ny vahoaka ny hahafantatra antsipiriany ny zava-misy amin’ny lafiny rehetra eto amin’ny firenena .

 

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana