Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Andry Rajoelina “Eto amintsika ny fanafodin’ny Coronavirus…”

09/04/2020

Azo atao ny manova ny tantaran’ny firenena sy izao tontolo izao. Nisy fotoana aho niasa andro aman’alina. Raha be indrindra dia adin’ny 4 no matory.

 

 

Mifampiantso amin’ny manam-pahaizana avy any ivelany. Nahazo taratasy tamin’ny 24 martsa aho milaza fa i Madagasikara dia manana ny fanafody, afaka hiadiavana amin’ity coronavirus ity, hoy ny filoha Andry Rajoelina. Raha ankatoaviny ilay izy, dia efa maro no ambarany fa vonona ny hiara-hiasa. Manao ny fanandramana isika ankehitriny, hoy izy ary efa fantatra fa ireo akora ananantsika eto, dia afaka mahasitrana 30 tapitrisa marary, kanefa ny marary maneran-tany izao 1,2 tapitrisa monja. Azo atao io ho endrika tsindrona miditra amin’ny làlan-dra, mety hohanina, sotroina fa mbola ho hita eo ihany. Miditra amin’ny fanandramana isika izao, ary efa mandeha ilay “protocole” hoe aiza no hatomboka, hoy i Andry Rajoelina. Tsy izaho no nahita ny fanafody, fa ny manam-pahaizana. Isika tsy manana fitaovam-iadiana nokleary fa izaho manam-pinoana hoe tsy maintsy hisongadina i Madagasikara, hoy ny filoha. Niantso ny manam-pahaizana aho hoe: fotoana izao fa ataovy ny fikarohanareo. Niresaka adin’ny iray tamin’ny finday tamin’ny olona nandefa ny taratasy aho , ho i Andry Rajoelina ; ny fahavononanao sy ny fanapahan-kevitra dia ahafahantsika manova ny tantaran’izao tontolo izao, hoy io olona io, izay mbola tsiambaratelo moa hatreto hoe iza marina. Atao ny fanandramana ary mino sy manantena aho, fa ho hitantsika eto Madagasikara izany. Manomboka anio dia hisy fifanarahana amin’ny marary sy ny mpikaroka amin’ny hanaovantsika andrana amin’ny fanafody nokarohana teto Madagasikara,  hoy hatrany i Andry Rajoelina.

OZININA MPAMOKATRA FANAFODY

Hametraka ozinina fanamboarana fanafody ny firenena Malagasy  ary ny faniriana dia fanafody hahafahana manasitrana ny coronavirus satria fanafody avy any ivelany anie no nanasitranantsika ireo marary hatreto, hoy ny filoha. Amin’ity herinandro ity dia efa hiasa mahakasika an’io. Maro ny firenena miantso: Singapour, Chine, Inde, Maorisy maniry ny hiara-miasa amin’i Madagasikara, araka ny fantatra.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana