Dans la mme rubrique

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

18/07/2020

Lehilahy sy vehivavy iray mpivady no tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service des Enquêtes Spécialisés ny 15 jolay

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

Hamaky ny tohiny...

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

18/07/2020

Teratany Kaomorianina iray avy atsy amin’ny Nosy Anjouan antsoina hoe Isa Mohamed fantatra amin’ny anaram-bositra « Bouboucha »

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

Hamaky ny tohiny...

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

18/07/2020

Mitandrema, hoy ny hafatry ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, manoloana ny zava-misy mikasika ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus eto amin’ny firenena.

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

16/07/2020

Nirehitra omaly hariva ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ny ONE eny Antaninarenina.

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

16/07/2020

Nodimandry teo amin’ny faha 35 taonany omaly ny namana mpanao gazety eo anivon’ny Onjampeo Feon’Imerina, Hariniaina Tahiana Andrianarimanana na Tahiana Andrianarimanana.

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

Hamaky ny tohiny...

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

16/07/2020

Ny vesatra zakain’ny isan-tokantano sy ny vidim-piainana mihitsy no tokony hahena amin’izao fotoam-pahasahiranana iainan’ny vahoaka izao.

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

15/07/2020

Mangataka ny hamoahana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra momba ny fitantanana ara-bola mikasika ny covid-19 ny Firaisamonim-pirenena. Isan’ny

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fisomparana ny « Emetteur » Hametraka fitoriana ny Real TV

09/04/2020

Ny talata maraina tamin’ny 6ora sy 31 minitra no tapaka tampoka ny fahitalavitra Real TV, fotoana hamerenana ny fandaharana manokana niarahan’io fahitalavitra io tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy ny fampitam-baovao.

 

 

 

 Nanao ny fitiliana ny tompon’andraikitra ary fantatra fa ny teny Ambohimitsimbina misy ny “Emetteur” no nihavian’ny olana, dia niakatra teny. Hita teny ary, fa notapahana tamin’ny “Pince” ny “connecteur-n’ny faisceaux, izay mipetraka eny ambony Pylone, ary io hasomparana io dia manamora ny fifampikasohana herinaratra mankany amin’ny “Emetteur”. Misy piesy manan-danja izay nafarana avy any tany Italie ihany koa nosimbaina. Tsisy afaka miakatra eny raha tsy manana taratasy. Tsy maintsy teknisianina no nanimba ilay izy satria teknisianina ihany no mahay hoe ny Faisceaux no potehana dia tsy mandeha ny TV, hoy ny fanazavana. Miaramila no miandry ny toerana eny Ambohimitsimbina izay toerana saropady misy ireo karazana Emetteur maro be, manana fahazoan-dalana vao afaka miditra ao. Hitory ary  hanao « plainte contre X” ny Real TV ary efa naka vaditany nanamarina ny zava-misy. Ny taona 2018 nanaovana ny andrana, dia efa nisy ny antsojay tao amin’ny toerana misy ny fitaovana ara-informatika iraisana amina haino aman-jery maro, saingy ny an’ny Real TV/Radio ihany no nisy nangalatra, ary tsy mbola hita na nosokafana aza ny fanadihadiana. Mila fahazoan-dàlana roa alaina isan’andro any amin’ny Direction des Infrastructures Techniques: iray hahafahana miditra ao Ambohimitsimbina, ary iray hiakarana amin’ny pylone. Voalaza fa mbola mila alalana amin’ny manam-pahefana ambony ny famoahana ireo, ka manomboka anio 9 aprily no mety hivaliany. Ahiana ho misy ambadika politika avo lenta ity toe-javatra ity.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana