Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

29/05/2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

 

 

Mpanao gazety sady Talen’ny famoahana ny Gazety VALOSOA noho ny loham-piampangàna « Fitarihana fankahalàna » izay mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka. Araka izany, ny ROHY dia manohana ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) amin’ny tokony hamoahana tsisy hatak’andro an-dRtoa Rahelisoa Arphine no sady manambara ihany koa fa tokony tsy hisy intsony ny fanagadrana mpanao gazety na inon na inona firehana tohanany sy misy azy. Miantso kosa ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay eo amin’ny fanatanterahana ny asany ao anatin’ny fitoniana sy ny fifanajàna ary ny lalàna hahafahantsika mitandro ny filaminana, ivelan’ny hevitra pôlitika. Fanitsakitsahana ankitsirano ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny fahalalahana haneho hevitra izay fototra roa lehibe ijoroan’ny demôkrasia io fanagadràna io, hoy  ny Hetsika ROHY

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana