Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

13/08/2020

Olona 4 indray no lavon’ny Covid-19 raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 156. Ny 02 tany amin’ny Faritra Boeny, 01 DIANA;

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fandaozana an’Antananarivo Olona 25.000 no lasa tao anatin’ny telo andro

10/04/2020

Betsaka ireo olona namonjy fodiana any amin’ny misy azy nefa tsy vitsy koa ireo nanararaotra namonjy any amin’ny faritra amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao mba hakana aina kely.

 

 

 Vokany, tafakatra 25 000 ireo mpandeha notaterina nandeha nivoaka ny faritra Analamanga tao anatin’ny telo andro, raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly . Na izany aza anefa hoy izy dia mahafaly fa tsy mbola nisy fiara tra-doza hatramin’ny omaly Alakamisy, fotoana nifaranan’izany fitaterana ny mpandeha mivoaka ny faritra izany. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety Atoa Reribaky Jeannot moa fa malalaka ny fidiran’ireny fiara lasa nivoaka ireny eto an-drenivohitra amin’ny fotoana mahamety azy. Tsy noferana mantsy izany hoy izy noho ny halaviran-toerana tsy mitovy. Tsiahivina moa fa efa tena vitsy dia vitsy ireo mpandeha nivoaka ny faritra tetsy Androndrakely omaly indrindra fa ny niazo an’i Fianarantsoa sy Toliara

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana