Dans la męme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

COVID-19 Nanokana tohana 10 miliara dolara ny BAD

10/04/2020

Nanambara ny banky afrikanina ho amin` ny fampandrosoana (BAD), ny alarobia lasa teo, fa hanokana tohana mitentina 10 miliara dolara hanampiana

 

ireo firenena mpikambana miady amin` ny “coronavirus” ato amin` ny kaontinanta afrikanina. Izany dia ahafahana mandrindra ireo tetikasa manoloana ny krizy. Hisitra izany avokoa ireo governemanta sy ireo sehatra tsy miankina eto Afrika. Nanambara ny filohan` ny BAD, Akinwumi Adesina, fa izany tohana izany dia natokana indrindra an` ireo firenena manana olana ara-bola. « Misedra olana ara-bola i Afrika mba ahafahana miasa haingana sy miady amin` ny COVID-19. Amin` izao fotoana izao, ahamehana ho an` ny BAD ny hanohana amin` ny heriny rehetra ny kaontinanta. Tsy maintsy arovana ny aina. Io fanampiana io dia hanampy tosika ireo ezaka efa nataon` ireo firenena manoloana ny fihanakin` ny COVID-19”. Marihana fa mitentina 5,5 miliara dolara no atokana an` ireo firenena mpikambana. 3,1 miliara dolara ho an` ireo firenena mivondrona ao anatin` ny Tahiry Afrikanina ho amin` ny fampandrosoana ka tafiditra ao anatin` izany ny fanalefahana ny tahan` ny zana-bola amin` ny vola nindramin` ireo firenena tena mahantra. 1,35 miliara kosa ho an` ireo sehatra tsy miankina.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana