Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Mihoatra ny 100 ireo voa

11/04/2020

Tafiakatra 102 ireo olona tratry ny coronavirus eto Madagasikara.

 

 

 

 Ny alakamisy hariva dia nisy olona 2 voatily, ary omaly kosa dia niampy 7 izany ka olona 9 izany no olona vaovao voamarina fa voan’ny coronavirus, araka ny tatitry ny Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 eny Ivato dia ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Tafiakatra 102 izany ny olona rehetra voa hatramin’izay. Mijanona ho 11 ny sitrana ka 91 izany ireo mbola tsaboina sy arahi-maso. Tsy misy ny mampiseho soritr’aretina sempotra. Tsy nisy izany ny nila “oxygène” sy “réspirateur”. Lehilahy 26 taona sy 41 taona izay samy eto Antananarivo ireo roa voalohany. Ny 7 kosa dia lehilahy iray 65 taona tonga tamin’ny zotra avy any ampitan-dranomasina, ary ny 6 dia any Toamasina avokoa: Vehivavy 19 taona, vehivavy 44 taona, vehivavy 51 taona, lehilahy 36 taona, zazalahikely 4 taona sy 12 taona. Rehefa tafiditra amin’ny vantan’ny olona iray ny tsimokaretina, dia na miseho ny soritr’aretina na tsia. Samy mamindra ireo, ka izay no hanarahi-maso sy hitsaboana azy. Ho an’ireo tsy misy soritr’aretina, rehefa ao anatin’ny 15 andro dia manao ilay fitiliana PCR eny amin’ny IPM. Raha tsy ahitana ny tsimok’aretina intsony izy, dia haverina indray io afaka 48 ora, ary mbola atao TDR (Test de Diagnostique Rapide) ahitana ny hery fiarovana sy ny tsy fitondrana intsony ny tsimok’aretina. Ho an’ireo misy soritr’aretina, ary farafahakeliny 8 ora no tsisy soritr’aretina, ary rehefa tsy misy izay soritra izay 3 andro misesy dia atao fitiliana PCR in-droa misesy ihany koa, arahin’ny TDR. Tsy maintsy mbola manaraka fepetra tahaka ny rehetra ireo efa olona avy sitrana. Nisaotra sy nankasitraka ireo mpikatroka manerana ny Nosy, mifampiantso sy mifampizara traikefa amin’izy ireo ny avy amin’ny CCO Covid-19 eny Ivato. Nanentana ny rehetra hanaja hatrany ny fepetra ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle satria tena mbola ao anatin’ny ady izao, ary finiavana be ny an’ny mpiasan’ny fahasalamana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana