Dans la mme rubrique

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

26/05/2020

Lehilahy miisa 29 avy any Ambatolampy no tratra niditra an-tsokosoko tao Androhibe Antsahadinta omaly.

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Razana saika nentina tany Faratsiho Nalevina teny Anjanahary tampoka…

25/05/2020

Somary nanaitra ny nahita fandevenana razana nitranga ny maraimben’ny sabotsy teo tetsy amin’ny simetieran’Anjanahary.

Razana saika nentina tany Faratsiho Nalevina teny Anjanahary tampoka…

Hamaky ny tohiny...

Trafika tany Toliara "Camion frigorifique" no nitaterana hazo

25/05/2020

Fomba avo lenta indray no nampiasain'ny mpitondra hazo tsy ara-dalàna. Fiara lehibe manokana, "camion frigorifique" no nitondrana hazo tsy ara-dalana niditra tao Toliara ny sabotsy 23 may teo tany Toliara.

Trafika tany Toliara "Camion frigorifique" no nitaterana hazo

Hamaky ny tohiny...

Hazomanga ao Bekopaky Nitaraina ho norahonana depiote

25/05/2020

Solombavambahoaka iray lany tany amin’ny Distrikan’Antsalova no voalaza fa nanao kabary masiaka tena miendrika fampihinanana maloto Raiamandreny Hazomanga sy ireo fokonolona mihitsy any amin’ny fokontanin’i Bekopaky, kaominin’Ambanivohitr’i Bekopaky, distrikan’Antsalova.

Hazomanga ao Bekopaky Nitaraina ho norahonana depiote

Hamaky ny tohiny...

Hemerson Andrianetrazafy “Fanorenana no atao kanefa fanolanana no misy...”

25/05/2020

Mitambatra daholo ato anatiko ny hatezerana sy haromotana ary tena tohana tanteraka aho amin’ny maha olon- tsotra ahy, hoy ny mpahay tantara sady mpahay vakoka,

Hemerson Andrianetrazafy “Fanorenana no atao kanefa fanolanana no misy...”

Hamaky ny tohiny...

Aryane Kely Avotra soa aman-tsara tao amin’ny HJRA

25/05/2020

Vita soa amantsara tao amin’ny hopitaly HJRA ny fandidiana an'i Aryane kely manana aretina fahasembanana ao amin’ny lohany ao noho ny fanampiana nentin-dRtoa Mariana Maso sy ny Association Miahy (Sophia),

Aryane Kely Avotra soa aman-tsara tao amin’ny HJRA

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana tamin’ny MVola Roa tamin’ireo efatra tratra no naiditra am-ponja

25/05/2020

Fisolokiana tamin’ny MVola Roa tamin’ireo efatra tratra no naiditra am-ponja Fisolokiana tamin’ny MVola Roa tamin’ireo efatra tratra no naiditra am-ponja

Fisolokiana tamin’ny MVola Roa tamin’ireo efatra tratra no naiditra am-ponja

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mahery Lanto Manandafy “Tsy ny filoha no nanome baiko ireny fanagadrana ireny”

11/04/2020

Omaly no notanterahana ny fakàna am-bavany an`i Mahery Lanto Manandafy (MLM), tetsy amin` ny sampandraharaha misahana ny “cybercriminalité”

 

  tetsy amin` ny polisim-pirenena Anosy manoloana ny fitoriana momba azy voarain` ity sampandraharaha ity. Fitoriana napetraky ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) eo anivon` ny primatiora. Voapanga ho naniratsira ny FFKM sy ny TVM moa i Mahery Lanto Manandafy. Taorian’ny fakana am-bava azy dia nalefa nody izy. Raha ny tafa fohy nataony tamin` ny mpanao gazety, dia nanambara i MLM fa vokatry ny fanaparam-pahefana nataon` ireo tompon’andraikim-panjakana izao fitoriana izao. "Eto aloha dia isaorako manokana ny Filoham-pirenena fa marina ny teniko omaly. Tsy tia korontana izy ary tsy izy no manome baiko ireny fanagadrana tsy amin'antony ireny. Mbola mangataka amin'ny filoha anefa aho hanafahana ireo olona heverina ho voatazona tsy ara-drariny any am-ponja, isan'izany ny mpanao gazety, Arphine Rahelisoa", hoy ny fanazavany. Marihana fa nisintona ny fitoriany na nanao "lettre de désistement" ihany koa ny DLC eo anivon` ny primatiora. Fantatra ihany koa fa nanome baiko ny Filoha Rajoelina hampiato ireo fanenjehana mifandraika amin` ny “cybercriminalité” na heloka an’habaka.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana