Dans la mme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Kaominin’i Tanjombato “Lasa tsy matahotra ilay valan’aretina ny olona”

11/04/2020

Ampatsiahivina hatrany, hoy ny ben’ny tananan’i Tanjombato, Tovo Rakotojohary, fa anaty krizy ara-pahasalamana isika izao fa tsy krizy ara-tsakafo

 

 

 

manoloana ny fahitana ireo mponin’ity kaominina ambanivohitra ity izay lasa mitombo isa rehefa alohan’ny amin’ny 12 ora atoandro. Manararaotra iny fotoana iny ireo olona, hoy izy, moa koa eo ny fivoaran’ny vaovao izay ahitana fa efa misy ireo mararin’ilay valan’aretina no sitrana. Lasa tsy matahotra ilay valan’aretina ny olona. Mizotra makany amin’ny miabo ny filazam-baovao dia lasa miheritreritra isika fa efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana kanefa mbola tokony hanaja ny fepetra apetraky ny fitondrana foibe, hoy hatrany ity ben’ny tanana ity. Sahirana koa moa ny olona dia mety izay no anton’ilay anomezana azy an’iny tapany maraina iny saingy izahay dia manana adidy amin’ny fampanarahana ny toromarika ka rehefa tonga ny lera dia tanterahana. Omaly izao (TTF: Ny alakamisy teo) dia nomena arovava daholo ireo mpivarotra rehetra sy ny olona satria hoe efa mahazo mivoaka ihany. Raha ohatra mantsy ka mahazo mivoaka kanefa tsy misy fepetra raisin’ny fanjakana dia hitako hoe mifanohitra ihany, hoy izy. Tsy navelanay nisitraka tsena mora koa, ohatra, izay tsy nanao arovava. Eo koa ny fampanajana ny elanelana 1 metatra eo amin’ireo mpivarotra ary manomboka eto dia hiha enjana izahay amin’ny fampanarahana ny fepetra rehetra, hoy hatrany izy.

 J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana