Dans la męme rubrique

Fahantrana lalina

26/05/2020

Midina ny fahefa-mividin’ny valalabemandry. Maro rahateo ireo very asa vokatr’izao krizy izao.

Fahantrana lalina

Hamaky ny tohiny...

Atao haingam-pandeha daholo !

23/05/2020

Tsy vao sambany amin’izay heverina ho vakoka nokitihan’izao fitondrana izao akory ny lapan’i Manjakamiadana, raha ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no akana ohatra.

Atao haingam-pandeha daholo !

Hamaky ny tohiny...

Kimaizimaizina…

22/05/2020

Mihazakazaka ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nambaran’ny fitondram-panjakana tany am-boalohany fa atao ao anatin’ny

Kimaizimaizina…

Hamaky ny tohiny...

Sahirana manetry tena

20/05/2020

Hatramin’izay nanomezana fahaleovantena ny firenena izay ka hatramin’izao izany aloha dia hita ho toetra fototry ny mpitondrantsika nifandimby ny

Sahirana manetry tena

Hamaky ny tohiny...

Rehefa sahy dia sahy !

19/05/2020

Naherihery ny fitenin’ny Filoham-pirenena Malagasy tato ho ato manoloana ny kihana ataona firenena na vondrona firenena.

Rehefa sahy dia sahy !

Hamaky ny tohiny...

Milalao afo

18/05/2020

Efa hita, hono, ny fanafody kanefa ny marary rehefa jerena vao miha mitombo. Ilay fanentanana tsy hivoaka ny trano moa izany efa naman’ny tantara sisa.

Milalao afo

Hamaky ny tohiny...

Aza atao bontolo !

16/05/2020

Any amin’ny fitondram-panjakana ny baolina amin’ny fanapahan-kevitra horaisina momba ny ho avin’ny firenena.

Aza atao bontolo !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Samy te ho mpamonjy

11/04/2020

Dia tsy re feo intsony tokoa ny filoham-pirenena rehefa avy nanao fanambarana goavana fa misy eto Madagasikara ny akora fototra hahafahana manamboatra ny fanafodin’ny Coronavirus.

 

Mafy sy mateti-piavy tokoa angamba ny fivoriana ka tsy manana na dia 30 minitra isan-kariva monja izy hiresahana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.Resaka izany any anaty fiarahamonina izany, nitovy tamin’ny taorian’ilay hoe voafehintsika io.Lasa tsy matahotra intsony Ramalagasy, mety maro koa moa ireo mandray an-tendrony ka tonga dia nanaboribory resaka fotsiny hoe : efa misy fanafody izany ka inona no hampitaintaina intsony.Tena mbola lavitr’ezaka anefa ny dia, mbola goavana ny asa satria tsy vita indray mipi-maso izany manamboatra fanafody sy manatosaka azy eny amin’ny tsena izany.Miverina any amin’ilay fanentanana voalohany ihany aloha ny resaka dia ny fanajana ny toromarika ka mihiboka an-trano.Mampihoro-koditra tokoa ny mahita sy mahare ny vaovao any am-pitandranomasina fa tena sanatria isaina isa-minitra ny maty, lasa mivadika hopitaly sy tranom-paty ny kianja, ny magazay goavana.Tsy homby intsony ireo « cimetière » fa tsy maintsy mandavaka etsy sy eroa handevenana ireo matin’ny Coronavirus.Kofona tanteraka ny toekaren’ireo matanjaka.Tototry ny kihana sy ny esoeson-teny ireo mpitondra satria toa mitarazoka fanapahan-kevitra…fa iza tokoa moa no niomana hoe handripaka ain’olombeloa tahaka izao ny Coronavirus ? Ny fitandremana sy fahamailoana ihany no fiarovana tsara indrindra hatreto aloha ; ny resaka fanafody sy vaksiny izany dia mbola vahaolana mety hivadika ho olana goavana atsy ho atsy satria manao hazakazaka arahin-tosika samy te ho lohany amin’ny fanamboarana ilay fanafody ny rehetra : Sinoa, Israeliana, Frantsay , Amerikana, efa tafiditra ao koa izany ny Malagasy ankehitriny.Iza no handrombaka ny amboara ? iza no ho voahosotra ho mpamonjy izao tontolo izao sy ny zanak’olombelona.Aoka aloha tsy ho diso hevitra na hanonofy be loatra..mbola olombelona ihany isika fa tsy Andriamanitra tsy akory !

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana