Dans la męme rubrique

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

26/05/2020

Nilatsaka omaly ny fampahafantarana na « affichage » fa ho atao lavanty ny 28 mey izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fananan’ilay mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

26/05/2020

Fahiny talohan’ny nidiran’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia ny mpanjaka no mpitazona sy tompon’ny Hasina, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Hasina izay azony avy amin’ny Zanahary sy ny Razana.

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

Hamaky ny tohiny...

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

26/05/2020

Tanamasoandro, Kianjamasoandro, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny hafa rehetra dia samy teny sy anarana nahenoana matetika ny voambolana hoe masoandro avokoa tao anatin’izao fitondrana izao.

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

25/05/2020

Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

23/05/2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

23/05/2020

Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

22/05/2020

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao Manahy fanaparam-pahefana sy fanodikodinana

15/04/2020

Nitondra ny heviny mikasika ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny firenena, ankilany, sy ny toe-draharaha eo amin` ny lafiny sosialy sy ara-toekarena nandritra izay telo herinandro fihiboahana izay,etsy andaniny,

 

 

 

 ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao. Ho an` ity filohanà Andrimpanjakana ity dia ny fanomezanana vaovao mari-pototra amin` ireo asa tanterahina no hamehana amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao. “Andraikitry ny fanjakana no mandrindra sy mizara ireo laharampahamena ao anaty fotoana fohy sy ireo mahamaika aorian` ny krizy mianjady amin'ny firenena”. Amin` izao ady amin` ny « coronavirus »  izao, mangataka fanazavana misimisy kokoa amin` ny fanaraha-maso ataon` ny fanjakana sy mangarahara amin`ny fitantanana ireo fanomezana sitrahin` i Madagasikara entina hiantohana ny lafiny ara-tsosialy ny filohan` ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny fa misy ireo tohana ara-tsosialy izay tena ankasitrahana saingy ahiana ho fototry ny fanaparam-pahefana sy fanodikodinana. Tao anatin` izay telo herinandro fihibohana izay dia azo ambara fa voafehy ny fiparitahan` ny aretina raha oharina amin`ny any ivelany. Na izany na tsy izany, notsipihany fa mbola tsy ampy ireo andrana sy fitiliana atao ahafahana mifehy ny aretina.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana