Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Vatsy Tsinjo Lany amin’ny fanadihadiana ny fotoana

16/04/2020

Raha tokony ho tamin’ny 7 ora maraina no nanomboka ny fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo tetsy amin’ny CEG Avaradoha dia nisy fahatarana ora 2 be izao vao nampidirina ny olona miisa 10 voalohany.

 

 

 Toy ireo efa hita tamin’ny toeran-kafa moa dia mbola tsy voahaja hatrany ny elanelana iray metatra teo amin’ireo mpilahatra izay tena marobe. Fokontany maromaro ao amin’ny boriborintany faha 3 no nalamina haka ny anjarany tao amin’ity CEG ity. Isan’izany, ohatra, ny avy ao Besarety, Mahatazana, Ambohitrakely ary Avaradoha, mazava ho azy. Be ny tsy fahatomombanana tsikaritra teo amin’ny fikarakarana ary isan’ny nampametra-panontaniana ireo nilahatra ny anton’ireo fanadihadiana marobe. Anontaniana hatramin’ny trano onenana na vita biriky na hazo. Hatramin’ny isan’ny fanaka. Saika ny antsipiriam-piainana rehetra, hoy ireo olona, sorena. Nalaina sary tsirairay avy ny olona. Ekena fa fotoana natao ho araraotina tokoa izao hanavaozana ny fanisana ny isan’ny mponina saingy fotoana ve tsy maintsy hampilaharana elabe ireo lazaina fa sahirana sy marefo na mbola hampitangoronana azy etsy sy eroa? Tsy tokony izay hampihena ny fotoana hivoahan’ny olompirenena ny lavan-tranony ve izao no himasoana sa atao resaka fotsiny izy ity?

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana