Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

13/08/2020

Olona 4 indray no lavon’ny Covid-19 raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 156. Ny 02 tany amin’ny Faritra Boeny, 01 DIANA;

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo Mitombo isa ny voan'ny Coronavirus

16/04/2020

Nisy olona 2 vaovao voan’ny coronavirus indray omaly, ka nampiakatra ny isa ho 110. Samy eto Antananarivo avokoa ireo voa ireo, ka teny Antetezanafovoany sy Faravohitra no nahitana azy ireo, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

 

Ireo roa vaovao afak’omaly nalefa eny Befelatanana sy Anosiala, dia teto Antananarivo avokoa, ary io fa mbola miampy io hatrany. Eto Antananarivo rahateo no ahitana olona voa be indrindra, ary mety ho anton’io ny tsy fanajana fihibohana. Efa nisy ny tranga mampanahy hoe tsy fantatra izay namindra tamin’ny olona efa fantatra fa voa, izay midika fa misy ny olona voa mandehandeha mety hamindra amina olona marobe. Nisy 6 vaovao sitrana ihany koa, ka niakatra ho 29 ny isan’izy ireo, ary 81 kosa ny mbola tazonina eny amin’ny hopitaly. Ao anatin’ny fiarahamonina, ary efa miparitaka ireo tranga vokatry ny fifampikasohana, hoy io mpitsabo io, izay nanamafy hatrany ny tokony hanajana ny fepetra. Rehefa sitrana tanteraka ny olona, izay mandalo fitiliana PCR in-droa mielanelana roa andro, tsy nisy trangan’aretina tao anatin’ny telo andro nisesy, dia mbola misy fepetra maro arahina mba hisorohana ny ahiahin’ny fiarahamonina. Mila vonona ara-tsaina. Mila jerena akaiky hoe afaka manaraka fepetra ve ny any an-tranony. Tsy maintsy manao aro-tava, fiarovana ny fitaovana ampiasainy, tsy maintsy misy fanazavana maromaro amin’ny fepetra tsy maintsy arahiny rehefa any an-trano: mitokana, ny mahakasika ny entany sy ny fitaovany,… Tsy maintsy manao taratasy izay antoka fa azony ny fepetra ary harahany antsakany sy andavany. Rehefa feno ireo izay vao homena ny “certificat”. Raha tsy izay dia mbola manampy azy hatrany ny mpitsabo. Rehefa feno ireo dia tsy tokony hanana ahiahy ny fiarahamonina.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana