Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Lalatiana Andriatongarivo "Hihamafy ny fepetra raha mbola goragora isika"

16/04/2020

Nanao ny tatitra tamin` ny haino aman-jerim-panjakana momba ny COVID-19 ny minisitry ny serasera sy kolontsaina no sady mpitondra tenin'ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo omaly.

 

 

 

 

 

 Maro ireo fitarainana voarain` ny CCO-COVID 19 manoloana ireo fepetra noraisina. Voalohany, mikasika ireo fahazoana alalana mivezivezy manokana izay nosoniavin` ny filohan` ny CCO –COVID-19. Nanamafy hatrany ny ministra fa mbola manankery avokoa ireo fahazoan-dalana nomena tamin` ny fihibohana andiany voalohany nivoaka nanomboka ny 21 martsa teo. Mbola misy ihany koa ny fanomezana alalana eny anivon` ny ATT sy CCO. Hisy, hoy izy, ireo zokiolona haka ny fisotroan-dronono ka tsy voatery eto an-drenivohitra ireny no alainy fa mety any amin` ny faritra hafa. Noho izany, tsy tokony hisy ny fanotohitohina ataon` ireo mpitandro filaminana, hoy hatrany ramatoa ministra. Faharoa, notsiahiviny hatrany fa voarara ny manao fitaterana olona tsy ara-dalàna. Misy mantsy ireo mpitatitra no manararaotra ireny fahazoan-dalana ireny. Efa nisy ny dinika niarahana amin` ireo mpitandro filaminana ka mampitandrina ireo izay minia mandika lalàna ny mpitondra fanjakana. Fanontaniana tena manitikitika ny maro ny fihibohana amin` izao fotoana izao.. Notsiahivin` ny ministra Lalatiana Andriatongarivo fa mila fahatsapahan-tenan'ny olom-pirenena tsirairay ny fiatrehana izao vanim-potoana sarotra izao. Raha miharitra kely manaja ny toromarika isika dia ho voafehy ny aretina, hoy izy. Raha mbola misy ny goragora dia hihamafy ny fepetra saingy miankina amin` ny fanapahan-kevitra izay horaisin` ny filankevitry ny minisitra izany, hoy izy. Marihana fa ny 19 aprily izao no mifarana ny fihibohana raha ny tetiandro voatondro.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana