Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mpitsabo 2 voan` ny Coronavirus Efa miha salama

16/04/2020

Miisa telo ny sokajin` olona voalaza ho marefo ka mora handairan`ny aretina “coronavirus”.

 

 

Sokajy voalohany, marefo noho ny asa ataony sy ny toerana misy azy toy ny mpiasan` ny fahasalamana, mpiasan` ny banky,… Faharoa, marefo noho ny tsy fahalalany: tsy mahafantatra ireo fepetraa sy fihetsika tokony arahina ny fiarovana ny covid 19. Farany, olona marefo noho ny toe-batany toa an` ireo zokiolona, na koa ireo manana aretina mitaiza na mitarazoka, tosidrà, aretina maharitra…, hoy Dr Fidinaina Randriatsarafara, talen` ny fidiovana eo anivon` ny miniteran` ny fahasalamam-bahoaka. Marihana fa namoaka fanambarana ny ministera mikasika ny fahasalaman` ireo mpitsabo roa voan` ny “coronavirus”. Nahazo fitsaboana ary arahina maso akaiky izy ireo. Efa nilamina ny fahasalamany ka mitohy ny fizahana, hoy hatrany ity tale ity. Ny mpiasan` ny fahasalamana moa no eo amin`ny lohalaharana amin` ny ady amin` ny COVID-19. Zava-dehibe ny fanomezana fitaovana manaraka ny fenitra azy ireo indrindra ho an` ireo miasa mifanerasera amin` ny olona maro. Maro anefa ny fitarainana fa tsy ampy ny fitaovana mandritra ny fanatanterahana ny asany. Nanambara omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Ahmad Ahmad raha nitsena ireo entana tonga teny Ivato fa hahazo fitaovana ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra manerana ny nosy, ary atao ara-drariny sy haingana ny fizarana izany.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana