Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

111 tratry ny coronavirus Ankizy maromaro lasibatra

17/04/2020

Miampy iray ny tranga izay nampiakatra ho 111 ny fitambaran’ny voa, ka zazalahy 14 taona any Toamasina io vaovao io.

 

 

 

78 ny olona mbola manaraka fitsaboana satria nisy 4 sitrana, ka ny 3 tany Toamasina, ary iray teny Anosiala, ka niakatra ho 33 izany ny sitrana. Tsy vao io no nisy ankizy voa satria efa nisy zaza roa 4 taona sy 12 taona ihany koa tao Toamasina. Tsy tsy mitsahatra miakatra ny isa na somary miadana aza. Maro ny tranga mampiahiahy hoe: iza no namindra tamin’ilay olona tetsy Antetezanafovoany sy Faravohitra ohatra? Mety mbola maro ireo voa mieloelo any. Adihevitra hatrany ny hoe nahoana no mbola tsy havoaka ireo tsy misy soritr’aretina. Na misy soritr’aretina na tsia dia tazonina any amin’ny hopitaly. Ny coronavirus tsy voatery hisy soritr’aretina na misy ihany aza ho an’ny sasany: mikohaka, tsy mahare fofona, mafana hoditra,… Nisy ny nampiasana oxygène sy natao fameloman’aina teto Antananarivo, Toamasina, izay tao ny nampatahotra mihitsy. Nisy tamin’ireo sitrana aza no efa tratran’izany. Mamindra foana rehefa “positif” na tsy misy soritr’aretina aza. Olona jerena matanjaka eny an-dalambe eny an-tsena eny, dia mety efa misy voa ary mamindra. Misy foana ny risika, toy ny fahaseporana tampoka. Misy ohatra nandritra ny fito andro tsy nisy soritr’aretina, saingy sempotra rehefa nisy fiomboana ny aretina. Ireny no mety ho faty raha sanatria tsy misy fandraisana an-tànana haingana raha amin’ny fihetsehana, ka izay no hitazonana azy any amin’ny hopitaly, hoy hatrany ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Miditra amin’ny herinandro fahaefatra isika, ka nisy ny fanentanana nataon’io profesora io ny hanajana ny fepetra. Isan’izany ny fanaovana aro-tava foana rehefa mivoaka, ary tsy hesorina. Eo ihany koa ny fanasana tànana matetika amin’ny rano sy savony.

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana