Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fampodiana ireo vahiny Hisy zotra Air France ho avy indray ?

17/04/2020

Eo am-pandinihana ny hisian’ny sidin’ny Air France haka ireo Frantsay sy Eorpeanina hafa tavela eto hampifandray an’Ivato sy Roissy,

 

 

 ka ny 24 aprily izao no heritreretina hanaovana izany, izay efa fampodiana fanintelony na fahaefatra io raha raikitra.Ireo Frantsay sy Eoropeanina tavela eto izay manana “visas à court séjour) izany hoe ireo fotoana fohy ihany no hahafahany mijanona eto no tafiditra ao anatin'io, ireo Frantsay na Eoropeanina hafa tafiditra ao anaty mason-tsivana fanasokajian’ny Filankevitra ambony momba ny fahasalamam-bahoaka ho marefo (70 taona miakatra, misy aretina mitaiza, olana ara-pisefoana, olana amin’ny fo, voa, diabetika,…). Ny masoivoho Frantsay no hakana ny andinindininy mahakasika an’io ary misy ny laharana 0202229844 hahafahana maka fanazavana. Ny masoivoho Frantsay no antsoin’ny Air France amin’ny lisitr’izay mpandeha, raha raikitra tokoa io. Raha halalinina, dia mbola tsy manana antoka ny hahatafavoahana na ny hahafehezana ny coronavirus eto Madagasikara ny Frantsay, ka aleony mampody ny terataniny na an’arivony isan’andro aza ny maty any aminy. Tsy mahatoky ny drafitra ara-pahasalamana eto, ary mety mihevitra fa mbola ho lava ity tantara ity ka aleo aloha ampodiana ny olona.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana