Dans la mme rubrique

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

Hamaky ny tohiny...

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

29/05/2020

Misaona ny faritr’Analanjirofo satria dia nodimandry omaly maraina ny lehiben’ny faritra vonjimaika, Honoré Tsaramandihy.

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

28/05/2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

28/05/2020

Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

27/05/2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

27/05/2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Malagasy any Frantsa Vaky ny ady…

17/04/2020

Hetsika fanaon` ireo teratany Malagasy monina sy mila ravinahitra any Eoropa ny “Rencontre Nationale Sportive” (RNS).

 

 

Fifaninanana ara-panatanjahan-tena tontosaina isaky ny fialantsasatry ny Paska any Frantsa. Tamin` ity taona ity dia niharihary ny ady nifanaovan` ireo samy tompon'andraitry ny RNS. Vaky ny ady teo amin` ny mpikarakara ka nitriatra ny komity mpanatanteraka nasionaly (CEN), izay rafitra mitantantana ireo fikambanana rehetra mandrafitra ny fanantontosana ny RNS. Nametram-pialana mihitsy ny filohany, Ramanana Rahary Olivier mihitsy izany. Niforona tampoka ny fikambanana vaovao CSM (Collectif Sport Malagasy), izay natsangan'ireo tsy manaiky intsony ny fomba fitantanana misy hatramin'izay. Ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny tsy fisian'ny fahamarinana ary ny tsy fahitana taratry ny firaisankina tao amin'ny RNS an-taonany maro no tena antony izany fihetsika izany. Saika nisy hetsika ara-panatanjahantena roa samihafa be izao nomanin` ny Diaspora Malagasy ny sabotsy hatramin` ny alatsinainin` ny Paska lasa teo iny. Ny CEN dia nitaona ny Malagasy ho tonga tao Cergy Pontoise (Région Parisienne) kanefa ny CSM kosa dia nanasa azy ireo ho any Bordeaux. Na teo aza ny fanelanelanana nataon'ireo Malagasy vitsivitsy tany an-toerana, dia samy niziriziry tamin'ny heviny ny roa tonta. Marihana fa tsy nisy ny hetsika ara-panatanjahan-tena noho ny fametrahana fahamehana ara-pahasalamana any Frantsa.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana