Dans la mme rubrique

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Nanolotra 1,2 tapitrisa dolara ny Japoney

12/08/2020

Nanolotra 1,2 tapitrisa dolara ny Governemanta Japoneyhanampiana ny ady atao amin’ny covid-19 eto Madagasikara.

Ady amin’ny Covid 19 Nanolotra 1,2 tapitrisa dolara ny Japoney

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Hamehana ara-pahasalamana Nampiana 15 andro indray

18/04/2020

Tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly zoma 17 aprily fa mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara,

 

taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ireo Filohana andrim-panjakana miisa 3: Filohan’ny antenimieram-pirenena, Filohan’ny antenimieran-doholona, Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiaianam-bahoaka, ka mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana 2020-359 ny 21 martsa 2020 sy ny laharana 2020-360 ny 4 aprily 2020 no manamafy an’io. Mihatra avy hatrany ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan-dalàna mikasika ny vanim-potoana manokana na ny “situation d’exception” mametra ny atao hoe: hamehana. Ho fampiharana ny andininy faha-18 amin’ilay lalàna 91-011 ny 18 jolay 1991 mikasika ny vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana, dia natolotra ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany. Minisitra maro no miantoka ny fanatanterahana io didim-panjakana io: Fiarovam-pirenena, Fitsarana, Toekarena sy vola, Atitany, Filaminam-bahoaka, Fahasalamana, Paositra, Serasera sy kolontsaina, Zandarimariam-pirenena. Noho ny hamehana sy ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-6 ao anatin’ny didy hitsivolana 62-041 ny 19 septambra 1972 momba ny fepetra ankapoben’ny lalàna anatiny sy iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan’ny samy olona, dia manan-kery avy hatrany ity didim-panjakana ity. Rehefa dinihina ity didim-panjakana sy fanapahan-kevitra ity, dia mitovy amin’ireo efa noraisina teo aloha. Andrasana anefa ny mety ho fanazavana bebe kokoa an’ireo fepetra haroson’ny Filoham-pirenena ho fampiharana ity hamehana ara-pahasalamana ity.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana