Dans la męme rubrique

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

10/08/2020

Nitarina 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana. Ny Didim-panjakana laharana faha-2020-890 tamin’ny 08 aogositra 2020 no manambara

Fanitarana ny « Fahamehana ara-pahasalamana » Mifanipa-kevitra ireo lehiben’ny andrimpanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

10/08/2020

Fiatrehana ny Covid 19 Nahazo fitaovam-pitiliana TDR an-jatony i Ambatolampy

Hamaky ny tohiny...

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

10/08/2020

Miisa 148 ny olona maty teto. Latsaky ny 1% ny olona maty, izay midika fa ambany ny taham-pahafatesana mitaha amin’ny firenena maneran-tany. Aty Afrika, dia 2% eo manerana an’i Afrika, raha toa ka 3,8% maneran-tany.

Nohamaivanin’ny Filoha ny Covid 19 “Tsy namono olona noho ny pesta io… ”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Takaitran'ny Coronavirus Tsy maintsy hitranga ny krizy ka mila miomana

18/04/2020

Iray volana hatreto ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana.

 

Tao anatin` izay, nijanona tao an-tranony ny ankamaroan'ny Malagasy; izao mbola hitohy 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana, izay midika fa mbola voafetra ny fahafahana mivezivezy sy miasa. Ny ankamaroan` ny orinasa dia voatery nikatona kanefa tsy maintsy nandoa ny karaman` ny mpiasa. Misy amin` izy ireo no niditra “chômage technique ». Noho ny fihibohana maharitra dia lasa “congé forcé » ireo mpiasa ka manahy amin` ny . Izany dia misy akony goavana aminà tokantrano maro. Na dia eo aza ny fanampiana sy tohana avy amin ireo mpamatsy vola dia ho maro ireo Malagasy tsy ho tafarina raha mbola mitohy izany krizy ara-pahasalamana izany, ary ny seha-pihariana rehetra mihitsy no tratry ny krizy. Na inona na inona fanapahan-kevitra horaisin'ny fanjakana dia tsy maintsy misy drafitra hanarenana ny toekarena izany, tahaka ny nataona firenena maro maneran-tany niatrika ny fihibohana.Tsy maintsy manampy ny sehatra tsy miankina ny fanjakana nadia anaty fotoana voafetra ihany aza; fanamaivanana ny hetra aloa na fanampiana ara-bola tsotra izao, azo atao daholo izany. Mifanindran-dalana amin'izay tsy maintsy tohizana ny tohana ara-tsosialy ho an'ny vahoaka; fotoana tena mety izao hampandehanana ny Tsena mora, fa tsy hionona amin'ny resaka Vatsy Tsinjo fotsiny.Tena mitombo isa mantsy ireo fianakaviana sahirana amin'izao fotoana fa tsy tahaka ny tany aloha intsony.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana