Dans la mme rubrique

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Paul Rabary “Tsy zakantsika ny endrika fihibohan’ny firenena matanjaka”

18/04/2020

Ny 90% amin’ny Malagasy no mahantra, izany hoe latsaky ny 4000 isan’andro ny vola miditra ao aminy, hoy ny Minisitry ny Fanabezana sady mpahay fiarahamonina Paul Rabary.

 

 

 

Raha vao tsy miasa dia tsy misy hoanina. Tsy ho zakantsika mihitsy ny fihibohana tahaka ny endrika isehoany any amin’ny tany manan-karena, hoy izy. Misy ny tena sahirana sy marefo izay homena fanampiana. Misy ny ambonimbony kely noho ireny, toy ny mpivarotra, mpanao coiffure,… Raha toa ka manao fihibohana enim-bolana na dimy volana, dia tena hivarina any amin’ny fahantrana tanteraka, kanefa ireo no mampiodina ny toekarena. Na tiana na tsy tiana, dia misy fiantraikany lehibe ara-toekarena io. Ny mpianatra tsy mianatra, ny famokarana tsy mandeha, ny mpizahatany tsy tonga,… ka isan’ny miteraka fitotonganan’ny sandam-bola. Na tiana na tsy tiana tsy ho vita ao anatin’ny roa volana na telo volana io coronavirus io. Mbola tsy afaka ny hiverina tanteraka amin’ny zavatra niainana teo aloha. Izao no hilana ny adihevitra sy hitadiavana vahaolana. Atao izay tsy hahafaty ny reniny sy tsy hahabotry ny zanany, izany hoe ny toekarena sy ny vahoaka. Alefa tsikelikely ny famokarana. Misy fanapahan-kevitra malefaka tokony horaisina, fa misy ny fehezina, toy ny hoe: tsy fatiantoka raha mbola tsy mandeha ny resaka hetsika ara-panatanjahantena, ny fotoam-pivavahana, ny restaurant,… hoy ity minisitra teo aloha ity.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana