Dans la mme rubrique

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Volontiana Hanta “Mbola tena anatin’ny ady isika”

21/04/2020

Tsy nisy ny tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus, raha toa ka nisy olona 2 sitrana. 121 izany ireo olona voa rehetra hatramin’izay, ary 80 amin’ireo no manaraka fitsaboana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle omaly.

 

 

Andrasana araka izany ny valin’ny fitiliana, izay mitohy hatrany. Tsy misy ny marary ahiana ny fahasalamany, izany hoe tsy misy fahasarotana be na krizy. Mitohy ny ady, hoy ny  Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle na nisy aza ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoha amin’ny fiverenanana tsikelikely amin’ny asa aman-draharaha. Na misy aza ny mivoaka noho ny asa izany hoe antony tsy azo hanoharana, hiverina hianatra ny mpianatra,… Hitombo ny olona afaka hivoaka, saingy mila hajaina foana ny fepetra. Tsy miala mihitsy ny arotava amin’ny zavatra rehetra atao na any am-pianarana, na handray olona any amin’ny birao. Eo ihany koa ny fanasana tànana, ary indrindra ny elanelana iray metatra. Efa misy ilay fanefitra nampahafantarin’ny Filoha omaly, dia ny covid organics izay vokarin’ny IMRA, saingy isan’ny mbola mampanahy ny olona ihany na izany aza ny ho fidirantsika amin’ny ririnina, kanefa ny mangatsiaka no tena tian’io otrikaretina io.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana