Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ramboasalama Emilien “Tokony zaraina maimaim-poana ny rano!”

21/04/2020

Entina hanampiana ireo fikambanan’ny mpivarotra eo anivon’ny fokontany miisa 4 ao amin’ny boriborintany fahaefatra dia ny 3L, 3N, 3J ary 3R dia nitondra fanampiana ho azy ireo ny solombavambahoaka voafidy teny an-toerana,

 

 

 

 

 Emilien Ramboasalama, ny sabotsy teo. Antony, hoy izy, dia asaina mihiboka ireo olona kanefa tsy vatsiana fitaovana ahafahany manao izany akory. Iaraha-mahalala fa tena mitrongy vao omana ireo olona asaina mihiboka. Tsy maintsy mitady izay ho haniny anio ary eo no tena olana, hoy ny tenany. Tsy manana arovava ireo mpivarotra ireo ny ankamaroany kanefa mivarotra sakafo. Araka ny toromariky ny filohan’ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana, koa dia napetraka manoloana ny trano mihitsy ny Bidon misy rano miaraka amin’ny savony hanasana tanana. Omena ny rehetra izay mandalo eo hanasany ny tanany izany, hoy hatrany ity depiote ity. Ny nahafinaritra dia naka tahaka izany ny ankamaroan’ny olona fa tsy voatery hiandry fanomezana avy any ivelany. Mpivarotra miisa 300 eo no misitraka izay fanampiana izay, hoy ny fanamarihany. Entanina hanasa tanana izay rehetra mandalo amin’ireny Bidon napetraka ireny ary tokony tsy vidiana ny rano fa zaraina maimaim-poana, hoy izy. Asainao manasa tanana ny olona nefa tsy misy ny rano fa mbola vidiana. Heverina fa tsy olana amin’ny fitondram-panjakana ny hizara rano maimaim-poana ao anatin’izao fihibohana izao satria ataoko fa ny vola azo tamin’ireo fianakaviambe iraisampirenena dia mahasahana izany. Izaho aza, hoy izy, mahavita manome rano maimaim-poana 500 ka hatramin’ny 600 litatra isan’andro amin’izao. Lasa fihatsaram-belatsihy, hoy ny fanazavany, ilay fiantsoana ny fiaraha-miasa amin’ny mpanohitra satria tsy mba misy fampahafantarana mialoha ny zavatra zaraina sy ny fomba hizarana azy fa atao kofehy manara-panjaitra fotsiny ny mpanohitra. Ny olana anefa dia rehefa misy tsy fahatomombanana avy eo dia hoe niaraka tao ihany isika. Aza atao fakana “point” fotsiny ny mpanohitra, hoy izy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana