Dans la mme rubrique

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanafody COVID Organics “Tsy hijanona hatreo ny fikarohana momba azy”

21/04/2020

Aleo marihina fa “Coronavirus disease” na aretina avy amin’ny Coronavirus no atao hoe COVID, hoy ny dokotera Marius Ramaroson, manam-pahaizana manokana momba ny resaka fanatoranana sy famelomana aina na “Anéstesiste, réanimateur”.

 

 

 Hita tamin’ny taona 2019 ilay izy ka antony hiantsoana azy hoe COVID19. Zava-baovao io, araka izany. Mbola tsy fantatra ny momba azy, araka izany. Tonga amin’ny antsoina hoe “médecine anticipative” isika amin’izao fotoana, hoy hatrany izy. Izany hoe tombanana araka ny tranga misy ny fanafody omena. Tsy maintsy toy izay ny fomba atao satria zava-baovao no hatrehina. Raha ny fahafantarako ny fanafody COVID Organics dia niheritreretina hanamboatra ny hery fiarovan’ilay olona io ka rehefa voamboatra ny hery fiarovan’ilay olona ka mampiasa ny sela rehetra ao anaty ao ilay izy dia mamono ny tsimokaretina na “virus” ilay izy. Izay no heritreritra. Isan’ny neritreretina toy izany koa izao ny hoe hitsaboana io COVID 19 io ny Chloroquine miaraka amin’ny antibiotique. Misy karazana dingana tahaka izay ny fitsaboana. Misy ny atao hoe “médecine preventive” izay natao hanamboarana ny hery fiarovana. Mety azo hitsaboana koa io fanafody io fa araka ny dingana misy ilay aretina. Izaho mino fa tsy hijanona hatreo ny fikarohana momba azy io ary amin’izay fotoana izay dia mety ho hita fa azo hitsaboana koa ilay izy, hoy hatrany ny Dr Marius Ramaroson.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana