Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

13/08/2020

Olona 4 indray no lavon’ny Covid-19 raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 156. Ny 02 tany amin’ny Faritra Boeny, 01 DIANA;

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Olona tratra tsy manao arotava Tsy hisy indrafo intsony amin’ny herinandro

23/04/2020

Efa maro ireo fepetra noraisina ho fisorohana ny fihanaky ny Coronavirus ho an'ny eto Antananarivo izay tena be marary, teo ny famendrahana fanafody ka nozaraina 4 ny toerana :

 

 

 

 ny teto Antananarivo izay nisy ny boriborintany 6, Ambohidratrimo, Avaradrana sy Atsimondrano. Napetraka satria naira-nifarimbona tamin’izany ny CUA, ny Miaramila, Ministeran’ny fahasalamana, minisiteran’ny rano, ny fanabeazana. Ny CUA no nanatanteraka famendrahana tamina sekoly 29 ka ao anatin’izany ny CEG sy Lisea. 37 ny tany Ambohidratrimo sy Mahitsy ahitana ny Lisea,… 41 ny teny Antananarivo Avaradrano, ary 40 no vita teny Atsimondrano.Nanaovana famendrahana fanafody ihany koa ireo Taxi be, nozaraina ny gel sy ny arotava.Samy nihaino isika mianakavy ary nomena herinandro. Manomboka amin’ny herinandro ambony, dia misy ilay fepetra, izay andeha hatao hoe tsy fanasaziana fa hanerena ny olona hitondra ny aro tava, hoy ny Jeneraly Elack Andriankaja mpandrindra ankapoben'ny CCO Covid eny Ivato. Efa misy rindran-damina napetraka, ka hosaziana na hoterena kokoa ny olona mba hanao arotava. Efa betsaka ny sazy niarahana namisavisa tamin’ireo ben’ny tanàna sy sefom-pokontany. Tsy ny mandeha an-tongotra ihany no entanina hanao arotava fa ny mpandeha fiara ihany koa. Tsy hisy indrafo io, araka ny fanazavana. Aoka hitondra karapanondro rehefa mandeha miala ny trano. Raha latsaka ny 18 taona ny olona tratra tsy manao aro tava dia zavatra hafa no mety hampanaovina azy, hoy ny fanazavana.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana