Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

ahasitranana amin'ny Coronavirus Nijoro vavolombelona ny pastera Riana

23/04/2020

Tsy mbola ny tambavy Covid Organics no nahasitrana ny Pastera Riana Razafintsalama raha ny fijoroana vavolombelona nataony teny Ampandrana omaly.Herinandro notsaboina teny amin'ny hopitaly manarapenitra

 

 

F

Andohatapenaka ity mpitandrina ao amin'ny Fjkm Ambatoroka Finoana ity sy ny vadiny ; nambarany fa ny fanafody chloroquine, niampy vitamine C sy antibiotique no nomena azy.Nisy antibiotique hafa natao taminy ihany koa ary izy irery no notsindromina azy io araka ny filazany. Mampitombo ny hery fiarovana ao amin'ny marary ny fanafody nomena anay hoy ny pastera Riana, herinandro teo no nihinana azy ary vao voaporofo hoe "négatif" tamin'ny fitiliana natao  dia najanona avy hatrany ny fanafody afa tsy ny vitamine C.Mafy ihany ilay izy, hoy ny fitantarany : maripana miakatra be, sempotra, fa rehefa sitrana dia afaka daholo ireo soritraretina ireo.Rehefa marary dia marary fa tsy hoe hafa rehefa pastera, hoy izy ary mba voa ihany ny saina.Na dia teo aza anefa ny ahiahy sy ny tebiteby ao anatin'ny tsy fahasalamana, dia manam-pinoana sy fanantenana hatrany fa ny herin'Andriamanitra dia nanampy sy nampatanjaka ary manasitrana mihoatra ny fanafody sy ny fikarakarana ataon'ireo mpitsabo izay nisaorany manokana.Tsy manana olana eo anivon'ny fiarahamonina aho rehefa nivoaka ny hopitaly fa vao miha aza nahazo fankaherezana ary ary tena ilaina izany, hoy izy.Anisan'ireo olona nandeha ny sidina avy any Paris ny pastera Riana Razafintsalama ary izy mivady no fantatra fa olona voalohany sitrana teto.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana