Dans la mme rubrique

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

02/06/2020

Ny CEFTAR Analamalotra indray no handraisana ireo marary ny valan'aretina covid-19 ao Toamasina, raha ny fampahafantarana ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy soritr’aretina.

Covid 19 ao Toamasina Mahazaka marary 200 ny CEFTAR Analamalotra

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

02/06/2020

Mitotaly 826 izany ireo marary ireo hatreto. 174 ihany ireo sitrana, ka 6 vaovao izay ny 5 tao amin’ny hopitaly Morafeno Toamasina, ary 1 teny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka .

Covid 19 128 no voa tao anatin’ny 3 andro

Hamaky ny tohiny...

Mpamily mivoaka an` i Toamasina Mila manana pasipaoro manokana

02/06/2020

“Mila mifanaraka amin` ireo “transitaire” ireo mpivarotra fiara vaovao (concessionnaire) sy mpanafatra fiara avy any ivelany”, hoy Tianarivelo Razafimahefa, filohan` ny CCO COVID-19.

Mpamily mivoaka an` i Toamasina Mila manana pasipaoro manokana

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Nisy voafonja voan’ny Coronavirus

02/06/2020

Any amin` ireo firenena mandroso dia fanomezana fahafahana vonjimaika ny voafonja ny fepetra (procédure carcérale)no raisina mba hifehezana ny aretina Covid-19 any amin` ireo fonja.

Antananarivo Nisy voafonja voan’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Andrana tsindrona Artemisia “Handefa manam-pahaizana any Afrika i Madagasikara”

02/06/2020

Ny tambavy vokarintsika dia tsy isika eto ihany no nahita azy io. Efa tamin’ny nisy ilay SRASS-COV1 dia efa tamin’ny alalan’ny Artemisia no nampiasan’ny firenena sinoa azy io.

Andrana tsindrona Artemisia “Handefa manam-pahaizana any Afrika i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Toamasina Efa am-perinasa ireo miaramila 250 avy aty Antananarivo

02/06/2020

Nitsodrano ny bataillon na iraka manokana izay nanainga ny sabotsy hariva teo hihazo an'i Toamasina ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude.

Ady amin’ny Coronavirus Toamasina Efa am-perinasa ireo miaramila 250 avy aty Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tambavy Covid Organics Tsy terena hisotro ny mpianatra

23/04/2020

Nitondra fanazavana mikasika ilay tambavy CVO na covid organics Razafimahefa Herimanana, sekretera jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika, omaly.

 

 

 

Nambarany tamin’izany fa toy ny nivaquine izay nozaraina tany am-pianarana fahiny ihany ny tambavy CVO noho izany tokony hajaina. Tsy terena izay tsy mazoto hisotro izany hoy izy saingy tokony hahatsapa kosa ny rehetra, indrindra fa ho an’ireo Ray aman-dReny manan-janaka madinika fa natao hiarovana ny fahasalaman’izy ireny ny tambavy CVO fa tsy sanatria zavatra hafa araka ny resabe mandeha ankehitriny akory. Nomarihiny araka izany fa tsy hiteraka voka-dratsy amin’ny fahasalamana any aoriana ity tambavy ity. Tambavy izay notsindriany fa mampiavaka antsika Malagasy ary efa nampiasaina nentina nanatsarana ny fahasalaman’ny rehetra hatramin’izay. Mikasika ny asa fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody ny sekoly moa dia nomarihiny fa mpiasan’ny ministera misa 1000 no efa naparitaka nanomboka ny Alatsinainy teo nanampy ny ministeran’ny fahasalamana sy ny kaominina Antananarivo renivohitra raha aron-tava miisa roa isaky ny mpianatra ihany koa no nozaraina niampy savony.

 

Pati

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana