Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Vololontiana Hanta “Mahakivy ny mahita ireo tsy manaja ny fepetra”

23/04/2020

Hatramin’ny omaly hariva, dia mbola eo an-dalam-pitiliana tanteraka ny Institut Pasteur de Madagascar ary andrasana ny tatitra.

 

 

 

 

Tsy nisy ny olona vaovao voamarina fa voan’ny coronavirus, ka mijanona ho 121 aloha hatreto ny olona voa, hoy ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle omaly. Nisy 8 kosa ny sitrana, ka niakatra ho 52. Miisa 69 ireo mbola manaraka fitsaboana. Efatra andro izany izao tsy niova ny tarehimarika, izay toa nifanandrify tamin’ny fivoahan’ilay tambavy. Tsy misy ny marary ahitana soritr’aretina sarotra. Na izany aza, variana sy nisy hakiviana tato anatiko, mbola misy olona mifandray tànana, misy ny tsy manao aro tava kanefa miresaka tsy manaja ny elanelana iray metatra, hoy io mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 io. Miha mitombo moa ny isan’ny olona mifanaretsaka eny an-dàlana amin’izao fiverenana tsikelikely ho an’ny asa aman-draharaha izao. Hita hoe betsaka no manao ilay aro tava. Ny taksibe dia hita fa tena manao, fa ny eny an-dalambe mifanatrika sy miresaka, hoy ny fanamarihany. Tsy voafetra ny hoe mievona tampoka, ka izay no tsy hanalana aro tava. Misy ny mitondra ihany fa atao eny amin’ny tenda na eny amin’ny loha. Aza hesorina mihitsy mandra-piverina any an-trano. Ilay elanelana hajaina foana, ilay fanasana tànana amin’ny rano sy savony rehefa tsy manana fahefa-mividy ilay gel manokana, hoy ny toromarika.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana