Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Rakoto Fanomezantsoa Efa vita hatry ny ela ny andrana momba ny Artemisia

23/04/2020

Misy ny Artemisia annua avy amin’ilay zava-maniry, ary misy ny raokandro izay efa fantatra hatry ny ela fa mampitombo ny hery fiarovan’ny olombelona amin’io zava-maniry io, hoy ny Pr Rakoto Fanomezantsoa Andriamparany Tale Jeneralin’ny Hopitaly Miaramila na ny Homi eny Soavinandriana.

 

 

 

Raha ny famoahana sy ny famelabelarana ara-tsiansa izay efa natao an-taonany maro izay, dia ny Artemisia no nangalana ny “artemisinine” efa fanafody fantatra sy nampiasaina hatry ny ela hitsaboana ny tazomoka. Mitovy tsy misy hafa amin’ny “chloroquine” na ny “hydroxychloroquine” ihany izany io artemisinine io. Rehefa nanaovana fanandramana sy fikarohana, dia hita fa misy fahombiazana ihany koa amin’ny fitsaboana ny coronavirus. Ny antony dia tsotra hoe: ny “plasmodium” mahatonga ny tazomoka dia “parasite cellulaire” amin’ny selamena, ary ny otrikaretina covid-19 ihany koa dia manana toetra an’izay hoe ny sela no asiany. Izay fomba fiady izay no antony nampiasana ny ody tazomoka amin’ny fitsaboana ny coronavirus. Efa natao fikarohana ihany koa, toy ny voka-pikarohan’ny sinoa ny fahombiazan’io Artemisia io amin’ny covid-19. Efa fantatsika ihany koa fa misy firenena aty Afrika sy ny firenena Asiatika mampiasa azy io. Adihevitra ilay resaka “éssais techniques” amin’izao fotoana izao. Ny atao hoe “éssais thérapeutiques” dia misy andalana efatra: ny momba ny Artemisia na ny artemisinine manokana dia ireny efa hitantsika amin’ny fanafody ireny satria efa fanafody hatry ny ela hiadiana amin’ny tazomoka izy io, izany hoe efa vita ny “éssai thérapeutique” momba an’io, hoy ity profesora ity. Tsy misy intsony tokony hihahiahiana hoe mbola misy “toxicité” na fahapoizinana ve io satria efa fantatra mialoha tamin’ny fitiliana tamin’ny ady amin’ny tazomoka. Ny ataontsika izao dia ny dingana faha-efatra na ny “phase d’obsérvation” hoe manakory ny vokatra amin’io artemisinine io amin’ny ady atao amin’ny fitsaboana ny coronavirus? Hoy io profesora io. Hatao fitiliana mihitsy ireo marary na amin’ny lio na amin’ny fitsaboana amin’ny fiantraikany, hoy ny fanazavana.

 

Toky R


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana