Dans la męme rubrique

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Nanolotra 1,2 tapitrisa dolara ny Japoney

12/08/2020

Nanolotra 1,2 tapitrisa dolara ny Governemanta Japoneyhanampiana ny ady atao amin’ny covid-19 eto Madagasikara.

Ady amin’ny Covid 19 Nanolotra 1,2 tapitrisa dolara ny Japoney

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

122 voan'ny Coronavirus Misy olona iray marary mafy

25/04/2020

Lehilahy iray 75 taona monina eny Sonierana Antananarivo no voamarina fa tratry ny coronavirus omaly, ka nampiakatra ny isa ho 122, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

 

 Niampy 3 kosa ireo sitrana, ka 61 ny fitambarany, ary 61 ihany koa no mbola tsaboina. Ny zava-baovao ihany koa dia misy olona iray ao anatina tsy fahasalamana sy fahasahirana na ilay antsoina hoe "cas grave" raha ny tatitra omaly.Tafiditra ao anatin'ireo olona sokajiana ho marefo izy ity raha ny tatitra ary efa miezaka mikarakara sy mitsabo azy ny dokotera.

Miparitaka

Efa tena miparitaka ny eny amin’ny fiarahamonina ny coronavirus. Misy indray ny tranga vaovao izay hanairana ny rehetra tsy ho varimbariana, hoy io Profesora io. Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe: samihafa ve ny endriky ny coronavirus any ivelany izay be maty be sy ny eto amintsika? Ny vokatry ny fikarohana nataon’ireo mpitsabo sy manam-pahaizana dia nahazoana tsoa-kevitra samihafa. Ny faramparany dia hoe miova in-droa na in-telo isam-bolana ity tsimokaretina ity. Miovaova toetra mety masiaka na antonontonony. Tena mora mifindra ary rehefa tafiditra amin’ny vantana, dia tena fetsifetsy satria efa hitan’ny fikarohana fa tsy makany amin’ny avokavoka mamotika ny sela ihany fa makany amin’ny atidoha, fo, taovam-pandevonan-kanina, tsinay,… Miovaova io, ka izany no tena hanamafisana ny fitandremana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo. Ny tsoa-kevitra tamina marary an-tapitrisany, dia ireo mihoatra ny 70 taona no sokajiana ho marefo, ireo olona vaventy dia efa voaporofo fa matetika alefa any amin’ny fameloman’aina, eo ihany koa ny voan’ny diabeta indrindra fa mikorontana io, ireo olona misy fahasemporana,… Ireo voatery mifanerasera amin’ny olona maro toy ny mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana, mpivarotra,… Tsy mifidy saranga io, tsy mifidy taona, ary teto amintsika dia tratra avokoa ny sokajin-taona, ka mila mailo sy mitandrina hatrany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana