Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tambavy Covid Organics Vita Malagasy tokoa ve ?

27/04/2020

Maro ny adihevitra mahakasika ny tambavy Covid Organics amin` izao fotoana izao. Manasitrana sa miaro fotsiny? Eken` ny OMS sa tsia? Ny ankizy Malagasy no atao sorona amin` izao…

 

 

 

 Maro dia maro ny fanehoan-kevitra saingy ny tena fanontaniana lalina koa dia ny hoe « vita Malagasy » ve izy ity ? Raha haravona ireo fanehoan-kevitra dia ireo teboka ireto no tena miverimberina: ny “code barre-ny any Frantsa”. Ny anarana tsy teny gasy ohatra hoe « ravintsara ». Mifanojo amin` ilay vaksiny lazaina fa andramana aty Afrika ilay izy satria misy firenena afrikanina vitsivitsy nilaza fa nahita fanafody ho entina miady amin`ny Covid-19. Maninona ny IMRA tsy mametraka ny marika amin`ny maha vokatry ny IMRA azy? Amin` izao fotoana izao dia misy profesora teratany “congolais” iray milaza fa izy no tompon` ny Covid Organics ka novidian` ny fanjakana Malagasy 4 tapitrisa euros taminy izany. Raha voamarina avokoa ireo tranga ireo ity dia hidi-kizo ny Fanjakana Malagasy ka hanimba indray ny endrik` i Madagasikara any ivelany. Ny IMRA ihany koa dia tsy ho afa-bela amin` ity tantara ity ka ho simba tanteraka ny voninahiny raha sanatria ka misy zavatra hafahafa manodidina ity tambavy ity . Mandeha mantsy ny resaka fa ny fanampiana azon’ny malagasy sy ny tambiny noho ny fanekena hanaovana io andrana io eto Madagasikara dia volabe.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana