Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Famokarana ny Covid Organics Tena misy resaka tsy mazava…

27/04/2020

Tsy fanakianana na fanaratsiana be fahatany ny covid organics ambara fa hitan’ny Sampam-pikarohana Malagasy dia ny IMRA, fa kosa misy toe-javatra manjavozavo ilàna fanazavana.

 

 

Ny 8 aprily i Andry Rajoelina no nilaza fa naharay taratasy avy any ivelany ny 24 martsa milaza fa manana fanefitra hahafaha-mandresy ny coronavirus ny Malagasy, ka ny fankatoavana sisa andrasana. Avy any amin’ny Maison d’Artemisia any Frantsa tantanin’i Lucile Cornet-Vernet io rehefa nokarohana, izay nanome toromarika ny hanaovana fikarohana haingana ary nomena ny paipaika na “protocole” satria hoe efa manao andrana an’io i Frantsa. Ny 19 aprily ny filoha no nanambara ny fahitana ny fanafody ary ny 20 aprily no nanolotra izany tamim-pomba ofisialy fa hita ny fanafody izay “sady fisorohana no fitsaboana”. Nambara fa efa nisy tamin’ireo mararin’ny covid-19 teto efa sitrana no nisotro an’io. Mahagaga anefa fa eo amin’ny etikety ho an’ilay tambavy amin’ny endriny vovony, dia ny 01 aprily 2020 no namokarana azy, ary ho lany daty ny aprily 2021. Azon’ny rehetra hamarinina io. Herinandro izany dia vitana ny fikarohana sy andrana? Ny IMRA no nanao azy sa mpiara-miombon’antoka sy mpanatanteraka izy fa efa vita nialoha ny ketrika? Sinema daholo izany sisa ny tato aoriana fa efa ny 1 aprily no vita ny planina rehetra? Niova ny resaka ary nialana ilay hoe “mahatsabo” fa ny fisorohana no novoizina, ary tamin’ny resaka nifanaovan’ny Filoha tamin’ny Filohan’i RD Congo Félix Tshisekedi dia io no noresahina hoe fisorohana na “preventif” kanefa ny serasera tany am-boalohany ho an’ny Malagasy, dia sady fisorohana no fitsaboana. Tena misy zavatra manjavozavo!!!

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana