Dans la mme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tosika Fameno Tokantrano 189 400 hahazo 100 000Ar avy

27/04/2020

Natomboka ny sabotsy 25 aprily 2020 teny amin’ny Lisea teknika Alarobia ny fizarana ny vola fanampiana "Tosika Fameno", tohana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena entina hanampiana ireo tokantrano tena sahirana sy marefo.

 

 

 

 

Ny "Tosika Fameno" dia vola mitentina 100.000 ariary, izay azon'ny mpisitraka izany mivantana amin'ny alalan'ny tetikasa Paositra Money. Tahaka ny tany Fianarantsoa dia kara-panondro na kara-pokontany no hahazoana misitraka izany eo no eo. Nitarika ny fizarana ny fanampiana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady, miaraka Ben’ny tanàn'Antananarivo Naina Andriantsitohaina ary ny minisitry ny Paositra, Fifandraisan-davitra ary ny Haitao ara-kajy mirindra, Andriamanohisoa Ramaherijaona. Fokontany miisa 5 ( Alarobia Amboniloha, Ivandry, Soavimasoandro, Morarano sy Ambodivoanjo) ao anatin’ny Boriboritany faha-5, nahitana tokontrano 3270 no nisantatra ny fisitrahana ity fanampiana ity. Hahazo ny anjarany ihany koa ireo fianakaviana tena sahirana sy marefo ao Toamasina. Tokantrano miisa 189.400 no hisitraka ity fanampiana ity ho an'Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa, izany hoe manodidina ny 18,9 miliara ariary izany ny vola haompana amin’izany. Misy ny fanadihadiana ataon’ny fokontany sy ny FID hitiliana ireo tena sahirana sy marefo. Ankoatra izay dia nozaraina tambavy CVO ihany koa ireo tonga nisitraka ny "Tosika Fameno". Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hotsinjaraina maimaim-poana ho an'ny tokantrano malagasy rehetra ity tambavy ity. Efa misy ihany koa ireo firenena any ivelany izay niantso ny filoha Andry Rajoelina mba hanjifa ny tambavy CVO, hoy izy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana