Dans la mme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Covid Organics “Mila mailo amin`ny fiarovana azy”

28/04/2020

“Voalohany, raha misy firenena manafatra ny tambavy Covid Organics na firenena asiatika io na afrikanina na tandrefa dia midika fa hankatoa ny firenena Malagasy izy ireo. Misy, araka izany, ny laza politika.

 

 

 

 

 Ianao tsy nampoizina hitondra fanefitra eto izao tontolo izao Faharoa, ny « enjeu économique ». Tsy maintsy hanana hambo-po ireo firenena matanjaka amin` ny hoe firenena mahantra no nahita ny fanafody nfanefitry ny aretina COVID-19. Farany, ny “enjeu scientifique”. Ireo Malagasy kely no nahita ity fanafody ity. Midika izany fa hanan-danja ny manam-pahaizana Malagasy. Ny fahavoazana eto amintsika anefa hatramin` izay dia tsy ny fanomezan-danja ireo manam-pahaizana Malagasy. Marihana fa na ny vaksiny anglisy sy alemaina aza mbola tsy nandalo andrana “Clinique” ary mbola ela izany!” hoy Radanoara Julien, mpahay ny fifandraisana iraisam-pirenena, raha naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha eto amin` ny firenena. Mila fahamailoana kosa isika amin`ny fiarovana amin`izany vokatra izany mba tsy hisy hanao hosoka. “Tsy maintsy mametraka ny valim-pikarohana any amin` ny OMAPI (Office Malgache de la Propriété Intellectuelle). Toy izany ihany koa ny eo anivon` ny iraisam-pirenena toy ny OMPI (office mondiale de la propriété intellectuelle) » hoy izy. Notsipihany koa fa tokony hamafisina rahateo ny fanaraha-maso amin`ny fitsinjarana ny tambavy CVO mba tsy hanimba ny vokatra tsara izay nentina ireo mpikaroka Malagasy.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana