Dans la męme rubrique

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanĂ na iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Vololontiana Hanta "Manahirana anay mpitsabo ny Covid 19..."

29/04/2020

Tsisy tranga vaovao tao anatin'ny 24 ora farany ka nijanonana ho 128 ny voa nanomboka 19 martsa hatramin’ny omaly 28 aprily. Nisy sitrana 7 ka niakatra 82 izany hatramin’izao.

 

 

 Miisa 46 ireo mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy marary mafy, ary tsy misy maty. Nisy olona tonga avy tany ivelany, efa natao fitiliana tsy nisy covid-19. Avy eo natao fitiliana fanindroany dia io fa “positif”, izay azo heverina ny hisian’ny tahaka izany. Zavatra tena mitombina ny tahaka izany, ary tena mbola manahirana ny mpitsabo azy io tsimokaretina na ny “SARS-COV-2” io, ary manahirana ny “communauté scientifique mondiale”, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Tena mora mifindra izy ny tsimokaretina. Ny fotoana idirany mandra-pahatonga ny fotoana hisehoan'ny soritraretina na « incubation » dia efa mamindra ilay olona. 3 hatramin’ny 5 andro, ary mety misy miitatra herinandro na 2 herinandro. Izay ny anton'ilay fanibohana 14 andro. Misy olona natao fitikiana iray tsy misy, avy eo natao fitiliana fanindroany lasa misy. Mila mitandrina sy manaraka ireo fepetra. Tsy fantatra tsinona hoe ahoana marina ny hery fiarovan'ny tsirairay. Mila manao arotava, tsy mifandray tanana, manasa tanana am savony matetika satria maro no alehan'ny tanana. 3065 fitiliana no vita hatreto. Mampiavaka antsika ny hoe amin'ny tena ilaina azy no hanaovana ny fitiliana, karohana ireo olona ahiahiana. Efa ho antsasaky ny sitrana ireo marary, tsy misy maty. Zava-dehibe izany ary noho ny ezaka nataontsika rehetra miaraka, hoy ity mpitsabo ity. Mila tohizana ny ezaka. Mbola misy valin-teny mitombo hoe maharitra firy andro na firy volana ilay hery fiarovana rehefa avy voa ka sitrana. Raha miverina mifanena amina olona efa voa, dia lojika ho lasa “cas contact” indray izay.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana