Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ahiana ho nifindran’ny Covid-19 Olona 4 karohina fatratra

29/04/2020

Misy ny fampiantsoana ireo olona 11 tsy tratra antso noho izy ireo niray fiara tamina olona voatily taty aoriana.

 

 Nandeha tamin’ny zotra Cotisse nihazo an’i Toamasina izy ireo ny 8 aprily, ary nifampitakosona tamin’ilay olona voamarina fa voa. Ny 4 no mbola tsy tratra antso mihitsy, dia Rtoa Raholimalala, izay diso ny laharana nomony, Elga Chan, Rahariseheno Samueline, ary Rtoa Roxane, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo. Avy any Maroantsetra ireto telo farany. Azon’izy ireo antsoina ny laharana 034 47 184 90. Ilaina haingana hanao fitiliana ireo olona niray fiara. Efa lava izay elanelana izay satria efa 21 andro izany no tany amin’izay nisy azy ireo olona ireo. Mety nivezivezy sy nifanerasera taman’olona tsy tambo isaina. Raha sanatria efa nisy nifindran’ilay voa niray fiara taminy, dia ho sarotra ny toe-drahara. Na mbola tsy misy soritr’aretina aza, dia afaka mamindra rahateo ny olona mety efa voa na ilay antsoina hoe: “porteurs sains”. Mikasika ilay tambavy koa dia nanapa-kevitra ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina sy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony ny hanao fandaharana manokana momba ny covid organics, ka profesora anankitelo no asaina miteny hitondra fanazavana: Pr Rafatro, Pr Rakotovao, Pr Ramanitrahasimbola. Ny laharana 910 no azo antsoina handraisana ireo fanontaniana.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana