Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fizarana ny Tosika Fameno Lasa famoriam-bahoaka mihoatra ny 50 isa

30/04/2020

Filaharana lavareny ny teny Alarobia omaly noho ny fizarana ilay Tosika Fameno 100 000Ar isam-pianankaviana ataon’ny fanjakana.

 

Tokantrano hatrany amin’ny 189 000 moa no hisitraka an’izany, ka ny Banky Iraisam-pirenena, ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM), ary ny FID no mamatsy ara-bola. Hatrany amin’ny 2 km na mahery ny filaharana nanomboka teo amin’ny LTP Alarobia, ka hatreny amin’ny Hotely IBIS omaly. Nifampitakosona tanteraka, ary tsy voahaja ny fepetra sy ny fiarovana ara-pahasalamana, toy ilay elanelana 1 metatra farafahakeliny. Tsy voafehin’ny fanjakana ny fandaminana, izay hitsaran’ny olona ny mpitondra ho manao tari-bato vilam-bava. Izao no tena ilàna ilay “digitalisation” sy ny fanangonana antontan-kevitra fototra (base de données) mirakitra ny mombamomba ny vahoaka. Ny Filoham-pirenena rahateo no niteny sy nampanantena an’izany ny 8 aprily, fa efa misy ny famatsiam-bola hahafahan’ny manao fanisam-bahoaka hatomboka amina faritra 3 (Analamanga, Antsinanana, Matsiatra ambony) ka hizarana “carte magnétique” ny olona. 10 andro no nambara fa hahavitan’io. Vita, ohatra, ny nanetsika ny tafika nizara tapim-bava, ka maninona no tsy ampiasaina ny Paositra izay manao ilay «Paositra money » rahateo ao anatin’ny fizarana ity vola ity ? Inona ny olana tsy nahafatsanganan’ilay Komity loharano, izay azo hampiasaina hitsinjara izany isam-pokontany. Tany aloha nilaza ny Filoha fa mety alefa amin’ny « mobile money » ny fanampiana. Ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50 tsy azo atao, ny taksibe tsy hanisy olona eo amin’ny seza afovoany,… fa ny famoriam-bahoaka an’arivony ataon’ny mpitondra tsy olana, satria mety ilaina amin’ny tombotsoa politika ihany koa angamba.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana