Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CVO nalefa any Afrika Inona no hitranga raha misy maka tahaka ?

02/05/2020

Nanao fanambarana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 9 aprily teo fa voarara ny famoahana ny fanafody natao hitsaboana ny Covid 19 izay voka-pikarohan’ireo mpikaroka malagasy hiala ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara ary toy izany koa ireo zavamaniry fitsaboana nakana ny akora nanaovana izany.

 

 

 Ankehitriny, iarahan’ny rehetra mahalala ny zava-misy fa nisantatra ny fisitrahana ny tambavy Covid organics na CVO ny 29 aprily teo, 20 andro monja taorian’io, ny firenena Afrikanina efa mihoatra ny folo. Nivadika tamin’ny teniny sahady, araka izany, ny filoham-pirenena. Ny tena mampanahy ao anatin’izany rehetra izany dia ny ho avin’ilay ivon-toerana nolazaina fa namokatra ity tambavy ity mihitsy dia ny IMRA izany, raha toa ka sendran’ny sanatriavina. Isan’ny firenen-kafa efa nilaza ho manana ny fanafodiny koa, ohatra, ry zareo Kaongoley sy ny Roandey. Ry zareo Senegaley moa nangataka santionany amin’ity vokatra malagasy ity. Ny vokatry ny olona izany mety tsy ho avoakany fa ny antsika kosa mety ho halalininy any an-tanindrazany any. Sanatriavina ny hoe hojeren’ireo siantifikan’ireo firenen-kafa ireo ny singa rehetra mameno io CVO io mba hahafahany manamboatra vokatra mitovy saingy ho ataony anarana hafa avy eo ahafahany mirehareha ny vokatra amin’ny anaran’ny fireneny. Antenaina fa tsy adino ny anaran’ny Papier Antemoro izay nodongian’ny Maorisianina tamin’ny fotoan’androny kanefa efa anarana malagasy hoe Papier Antemoro izao no niantsoana azy. Teo koa ny vokatra hitan’ny Profesora Zaraniaina niadiana tamin’ny aretina SIDA saingy very an-javony taty aoriana.

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana