Dans la mme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Andrimaso ara-pahasalamana Manara-maso ny fahasalamana isam-pokontany

04/05/2020

Manana ireo ekipa na “agent communautaire” manara-maso ny fahasalamana ifotony mandehandeha eny isika ankehitriny,

 

 

 

 

 hoy ny Dr Benony Jafeta Andriantahiana, talen’ny fampivoarana ny fahasalamana ifotony eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Natao hanao andrimaso ny zava-misy eny anivon’ny fokonolona mba ho voaharo ara-potoana ny tranga ara-pahasalamana misy. Hampihena ny tranga ara-pahafatesana, indrindra koa, no tanjona ao anatin’izany, hoy ny tenany. Mizaha ifotony ny fiantraikan’ny zava-misy amin’ny fahasalaman’ny mpiara-monina, manara-maso ny marefo, manao fanentanana isan-karazany any anatin’ireo fokontany iandraiketany ireo mpanentana ara-pahasalamana ireo, hoy ny fanazavana, ary mampita ny vaovao tsara ho fantatra mazava ho azy. 6600 mahery ny kaominina, 15 000 eo ny fokontany, 38 300 eo kosa ireo andrimaso ireo ary eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ihany no hiasany fa tsy lavitra mba hisian’ny fampitam-baovao miantefa aingana any amin’ny foibe tokony hitaterana izany. olon-tsotra eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo, hoy ny fanazavany. Inona izany no antony mbola mampisy ireo olompirenena mitaraina fa jeren’ireo fiara tsy mataho-dalana fotsiny ireo marary sasany mitsirara eny an-dalana?

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana