Dans la męme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanĂ na iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toamasina sy Antananarivo Olona 14 no indray voan'ny Coronavirus

04/05/2020

Olona 14 be izao no indray voan’ny coronavirus, ka nampiakatra ny isa ho 149, araka tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 98 ny sitrana hatreto, ary 51 kosa no mbola manaraka fitsaboana.

 

 

 

 

Ny 7 any Ambatovy izay misy Frantsa, Filipianina, Malagasy, ary ny iray tany Toamasina ihany fat any amin’ny Cité Béryl Rouge. Tsy misy olona afaka mivoaka intsony ao Ambatovy, hoy ny Filoham-pirenena. 6 kosa ny teto Antananarivo ka ny 5 teny Soavimasoandro ary 1 teny Andranonahoatra Itaosy. Miisa 3611 ny fitambaran'ny fitiliana rehetra vita. Omaly no nisy tranga betsaka indrindra. Mety hampatahotra fa amin'ny lafiny iray dia hoe aleo ho hita ikay tranga. Midika fa miasa mafy ny tompon'andraikitra mitady an'ireo olona ireo nahitana ireo voa hahafahany manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso izay tokony hatao azy, hoy ny Profesora Vololontiana. Ny fitsaboana sy fisorohana kosa dia anatin'ny fikarohana tanteraka, ary anisany isika. Tsy mbola misy ny fanafody iraisana sy ofisialy. Tsy hoe miandry ny fikarohana sy fanafody ifanarahana fa efa samy nanomboka nitsabo avokoa sy mifehy amin’ny fahaiza-manaony. Misy fomba fitsaboana, ohatra, nataon'ilay Profesora Frantsay Didier Raoult nambara fa tsy nanaraka ny lamina ara-pitsaboana ary nahazoany kihana be. Nisy ny nandray andraikitra hiarovany ny vahoaka ary be mpanaraka sy mampiasa ny "protocole" ary nandray ny fitsaboana tamin'ny alalan'ny hydroxychloroquine an’ity mpitsabo ity. Hatrany amin'ny 600 mahery ny fikarohana sy andrana fa samy manao ny azy aloha. Ny OMS dia efa niteny fa hamehana ara-pahasalamana manerana izao tontolo izao, ary eto amintsika nampitomboina 15 andro ny hamehana izay midika fa tsy tokony hiraviravy tànana ny firenena. Samy manao ny ainy tsy ho zavatra hifehezana sy hitsaboana ireo tranga atahorana. Ny eto Madagasikara dia efa navoakan'ny Minisiteran'ny fahasalamana ny "protocole" na fomba hitsaboana ary eo ihany koa ilay covid organics, izay efa hazavain'ireo mpikaroka nandritra ny 20 taona ny tombotsoa sy ny mahakasika ny artemisia, izay io no nosafidiantsika. Tsy misy fitsaboana efa hifanarahana fa samy manao izay ho afany. Ny CVO tsy hoe vaksiny ary tsy hoe rehefa mifanena amin'ny aretina dia tsy ho voa intsony, hoy kosa ity Mpitsabo ity.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana