Dans la mme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Taorian’ny Covid Organics Fanandramana amin’ny tsindrona indray izao

04/05/2020

Tsy mbola afaka mihika fandresena isika. Mitodika aty anefa ny mason’ny firenena Afrikanina, hoy ny filoha Andry Rajoelina.

 

 

 

 

Nanamafy ny fahombiazan’ny tambavy covid organics, ary naneho fa mampidi-bola be ny Artemisia satria 350 dolara ny iray taonina, ary afaka mamokatra 3000 taonina isan-taona isika. Hanao ozinina isika hanamboarana ny fanafody ilaintsika, fa hamatsiana izao tontolo izao ihany koa. Isika no manana tahiry sy kalitao tsara indrindra eto ambonin’ny tany. Sahiko ny miteny fa mahasitrana lavitra noho ny chloroquine ny artemesia, hoy i Andry Rajoelina. Hatsangana ny haingana ny ozinina, ary isika tsy hanaiky fa handroso haingana satria tadiavin’ny olona hosongonina, hoy izy. Miara-miasa amin’ny mpitsabo avy any Etazonia sy mpikaroka maro maneran-tany isika, hoy ny filoha. Amin’ny herinandro, dia hanomboka hanao fanandramana tsy amin’ny tambavy intsony fa amin’ny alalan’ny “injection” na tsindrona ampidirina amin’ny vatan’olombelona no azo handikana azy. Io “essai Clinique” io dia hatao amin’ireo marary vaovao, raha ny nambaran’ny Filoha. Nambarany fa nanontanian’ny vazaha amin’ny fanekeny “centre de cancerologie” lehibe indrindra aty Afrika hatao eto Madagasikara izy, ary handeha ny fanatanterahana an'io. Mitodika aty ny mason’izao tontolo izao mahakasika ny coronavirus. Ny antsika tsy vaksiny fa zava-maniry. Tsy mbola nisy nangataka andrana vaksiny izany, ary isika tsy hanaiky hanaovana andrana an’izany. Efa naka fepetra amin’ny mety ho fisongonana an’i Madagasikara ary raha misy manao andrana artemesia aza mbola afaka 6 volana vao lehibe, hoy izy. Etsy andaniny, hozaraina avokoa ny fokontany, ary hiroso amin’ny fanondranana ny covid organics satria firenena maro no manao kaomandy amina kaontera, hoy i Andry Rajoelina. Hampiasaina amin’izay kosa ny “digitalisation” sy ny fikirakirana ny vola amin’ny “paositra money” amin’ny fanampiana ny sahirana. Ny rehetra izao no sahirana, saingy toa tsy tena nivalamparana ny amin’iny.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana