Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fisorohana ny fiparitahan'ny coronavirus 10,6 miliara dolara no mbola ilain’i Afrika

05/05/2020

Hatreto dia ny kaontinanta afrikana no vitsy voa sy matin’ny aretina coronavirus raha oharina amin’ny kaontinanta rehetra.

 

 

 

Tsy midika izany fa lavitry ny loza i Afrika. Raha mbola tsy voafehy anefa ity aretina ity anatin’ny fotoana fohy dia hihalalina hatrany ny krizy ara-toekarena. Ny Kaomisiona ara-toekarena ho an’ny Afrika (CEA) dia manambara fa tsy maintsy hihena hatrany amin’ny 1,8% raha toa ka novinavinaina 3,2% ny fitomboan’ny harin-karen’ny Afrika. Nilaza mihitsy aza moa ny Sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny CEA, Rtoa Vera Songwe, fa mifampiankina amin’ny any ivelany tahaka ny any Eoropa, Etazonia sy Sina ny toekaren’i Afrika. 10,6 miliara dolara hoy izy no vola ilaina hanajanona ny fiparitahan’ny aretina izay mbola hiteraka trosa ho an’ny firenena samihafa. Mety hisy fiantraikany amin’ny sehatra hafa mampandroso ny hampitomboana ny vola hiadivana amin’ny aretina ary hamotika mafy ny toekarena ka tsy azo eritreretina mihitsy ny handresena ny fahantrana. Nanambara ihany koa ny CEA fa hitotongana hatrany ny vola miditra amin’ny fanondranana izay vinavinaina hatrany amin’ny 101 miliara dolara amin’ny taona 2020 ity. Ankoatr’izay dia hihena ny fandraharahana, ny fampiasam-bola ary hitombo ny asa very hoy izy ireo.

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana