Dans la mme rubrique

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antsirabe Ahiana efa tafiditry ny Coronavirus

06/05/2020

Olona 7 mianaka no indray nalaina tamin’ny fiara mpitondra marary na« ambulance » ary nahiboka ao amin’ny Hopitaly Atsimo-Antsirabe omaly 5 mey

 

2020. Gaga sy talanjona ny olona teo Ambohimena, tanàna eo am-pivoahana an’Antsirabe manaraka ny lalam-pirenena faha-7 nahita « ambulance » sy fiara 4x4 anankiroa an’ny Polisy, tonga naka olona miisa fito, ary nitondra azy ireo avy hatrany nahiboka ao amin’ny Hopitaly Atsimo. Fianakaviana iray mpiasa ao Ambatovy, vao tonga avy any Toamasina, nandeha kamiao, ny efa-mianaka amin’izy fito ireo, mpampiantrano nivantanan’izy ireo kosa ny telo mianaka. Mandeha ihany koa etsy andaniny ny fanadihadiana hamantarna ireo olona efa nifanerasera tamin’izy ireo, nandritra ny fotoana nahatongavany tao Ambohimena. Efa hitan’ny olona nivezivezy ary nividy entana tamin’ny tsenakely manodidina ireto olona avy any Toamasina ireto. Niampy olona 4, mpiray tanàna ireo nahiboka ao amin'ny Hopitaly Atsimo hatreto. Mazava ho azy fa ahiahiana coronavirus no anton’izany satria isan’ny nahitana tranga miisa 7 tany Ambatovy ny faran’ny herinandro teo, ary tsy afa-mivoaka intsony ny mpiasa ao amin’ity orinasa goavana ity, fa mitoka-monina tanteraka.

 

Mijanona ho 151 ny isan'ny voan'ny Coronavirus eto Madagasikara satria tsy nisy ny tranga vaovao omaly.Niampy 2 kosa ny sitrana, izany hoe olona 101 hatreto no naharesy ny Coronavirus, ary 50 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana